«Rehefa tsy manaraka izay voalazan’ny sori-dalana dia tsy manaiky izany isika.
Ao anatin’izany ny fanatanterahana ny andininy faha-20. Nisy fepetra napetraka fa mialoha ny governemanta dia tokony hampiharina izay voalazan’ny sori-dalana ary hapetraka ihany koa ny fitoniana eto amin’ny firenena», hoy Atoa Marc Ravalomanana raha niditra tamin’ny antso mivantana avy any Afrika Atsimo tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo. «Rehefa tsy azo ireo dia aza mieritreritra ianareo fa hiditra ao isika raha tsy mifanaraka amin’izay takiana», hoy ihany ny filoha.
Nohamafisiny fa diso fanantenana ny tenany tamin’ny fanendrena ny praiminisitra Omer Beriziky satria tsy nifanaraka tamin’ny sori-dalana. “Tsy maintsy mitady lalana sy vahaolana haingana anefa isika”, hoy izy. Nambarany koa fa matoky tanteraka ny Troika sy ny SADC ny tenany amin’ny famahana ny krizy eto amintsika satria tsy ny teto ihany no olana efa voavahan’ny Troika-SADC. Mila miray hina isika, hoy ny filoha Ravalomanana nanoloana ireo mpanara-dia azy. Mila finiavana politika ihany koa. Araka ny fanazavany ihany dia «raha hiditra ao anatin’izany governemanta izany dia mila fitondrana mifandanja». Raha tsy mifandanja ny hery dia tsy mety. Izany dia midika fa tokony hanana fahefana mitovy ny praiminisitra sy ny lefiny, izay avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.
Tokony hitovy koa ny isan’ny ministera. Tetezamita tsy mitanila, iaraha-manana sy handraisan’ny rehetra anjara no tanjona. Raha nisy ny fifanekena teo amin’ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy nosoniavina, hoy ihany izy, dia tokony hohajaina izany. Rehefa tsy mifanaraka dia samy manana ny heviny, hoy ihany izy. Nambarany moa fa efa nisy ny fifampiresahana teo aminy sy ny profesora Zafy Albert izay nifanaiky taminy fa tokony hapetraka eto Madagasikara tokoa ny filaminana sy izay hisiana fifidianana malalaka sy azo antoka. Tsy fitadiavan-toerana maikamaika fotsiny no hatao amin’izao tetezamita izao, hoy ihany Atoa Marc Ravalomanana fa fampanjakana ny demokrasia. Nambaran-dRavalomanana ihany koa fa raha tsy ny tenany no milaza fa hajanona ny tolona dia tsy mijanona izany. «Matokisa ahy ianareo ary aza manaiky hampiadian’ny olona», hoy izy. «Matoa afaka miditra dia tsy maintsy afaka mivoaka ihany koa», hoy ihany izy. Araka izany dia tsy nanohitra na koa nankato ny fanapahan-kevitr’ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana eto an-toerana ny filohan’ny firehana. Nambarany moa fa dia ho hita eo ny zavatra hitranga amin’ity herinandro ity.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.