Re araka ny fivoriana tsy ofisialy nataona lohandohan'ny mpisorona vitsivitsy avy ao amin'ny antoko HVM fa mitsivalana tanteraka amin'ny maha kandida filoha an'i Marc Ravalomanana izy ireo.
Tsara homarihana anefa fa tsy tena hevitra ofisialin'ny antoko HVM izany fa eritreritr'ireto vondron'olona ireo ary kasain'izy aparitaka mba handresen-dahatra ny mpikambana sasany sy ny olona hafa ivelan'io antoko io ihany koa. Ho azy ireo mantsy dia mpifanandrina politika goavana ary tena mety handresy amin'ny 2018 i Marc Ravalomanana ka mila sakanana dieny izao. Raha dinihina amin'ny saina tsy miangatra dia tena mbola ankafizin'ny olona i Dadavalo. Na aiza na aiza faritra tsidihiny eto Madagasikara dia mitondra tsiky sy fanantenana hatrany amin'ireo olona mihaona aminy izy. Tombony lehibe ho an'ity filoha teo aloha ity ihany koa ny fahasahiany nody an-tanindrazana na dia mbola misy aza ny raharaham-pitsarana momba azy, tamin’ny tetezamita. “Vonona aho ny hiatrika ny fitsarana”, hoy izy satria fantatro fa “tsy nanao ratsy ny Malagasy aho”. Efa misimisy ihany izay sakana, fingana, antsojay, fisomparana natao tamin'i Marc Ravalomanana izay saingy nilamina izy ary naneho foana fa azo ifampiresahana ny zava-drehetra, tsy mifanambaka kosa anefa.
Tandapa mpila ranondranony
Tsy maintsy misy ny fanakianana ary tsy misy eto an-tany izany hoe : tia anao ny olon-drehetra, tsy misy ny olona tonga lafatra. Na izany aza, hafa raha samy mpanao politika na mpitondra nifandimby teto i Marc Ravalomanana. Manaiky an'io ny mpandinika politika rehetra. Tena hainy ny nifangaro tamin'ny Malagasy sy niara-niasa tamin'ny vahiny. Sahiny ny nanova ny toe-tsaina sy ny fomba fijery amin'ireo zavatra efa hita fa tsy mampandroso. Mahafantatra tsara ireo mpifanandrina politika aminy fa manana tombony amin'ny lafiny rehetra izy ka ny hany mety handresena azy dia ny herisetra sy ny halatra, ary ny fanaparam-pahefana. Eo ihany koa ny karazana fanaratsiana, moa va tsy nifandimby nanao vavabe ireo manampahefana fony tetezamita fa efa naloan'ny Malagasy izany Marc Ravalomanana izany ka hahita raharaha raha mbola, miverina eto ? Io anefa izy io, mitety an'i Madagasikara misy maninona ve ? Inoana fa tsy hevitra avy amin'ny filoha Rajaonarimampianina ny tetika hamingana an-dRavalomanana fa paikadin'ireo tandapa sasany mpila ranondranony sy mahita tombontsoa amin'ny fikorontanana matetika misy eto. I Dada moa dia efa manamafy hatrany fa ny fikarohana ny soa ho an'ny Malagasy no tanjony ka tsy hihemotra manoloana ny mafy rehetra izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.