Nalaza be tamin’iny volana Oktobra
iny ny fankalazana ny faha-68 taonan’ny Repoblika voalohany, saingy tsy dia voaresaka sy voazava tamin’ny Vahoaka ny tena dikan’ny Repoblika fa lasa tany amin’ny hoe : tokony ho andro fiasana na tsia ilay 14 Oktobra no nifandaharana. Nanampy trotraka ilay sary vongana tsy araka ny tokony ho izy. Izany rehetra izany mitambatra no nanadinoina ny firesahana ny tena votoatin’ny Repoblika. Misy soatoavina efatra mazava anefa amin'ny Repoblika izay raha fintinina dia hoe : ny fahefana amin’ny sata repoblikana dia fahefana azo avy amin’ny Vahoaka vokatry ny fifidianana ; ny fahefana dia tsy ifandovana ; misy fe-potoana mazava sy voafaritra ny fampiasana ilay fahefana ary mitovy zo ny olompirenena rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Ny amehezana azy dia ilay niavian’ny teny dia ny "Res Publica" izay midika hoe : ny soa iombonana no kendrena amin’ny sata repoblikana.
VOAHOSIHOSY
Tsy iadian-kevitra intsony ny nitranga tamin'ny fifidianana Ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra ny 11 Desambra 2024. Nandray fanapahan-kevitra ny Filankevi-panjakana tamin'ny 9 martsa 2026 nandidy ny hanafoanana ny vato azon'ny kandida Ben'ny tanàna Harilala Ramanantsoa ka hamerenana ny fifidianana satria hita fototra ny tsy fanarahan-dalàna. Tsy azo ivalozana ny didy avoakan’ny Flankevi-panjakana na izany aza dia maha sadaikatra ny Mpanotsainan’ny tanàna voafidy teto Antananarivo Renivohitra ihany. ‘’Scrutin de liste‘’ moa no natao, saingy rehefa nivoaka ny didy dia niara-naongana daholo ny Mpanolotsaina rehetra tamin'ireo lisitra fito nifaninana tamin'iny fifidianana iny, izay midika ho fanosihosena ny sata repoblikana, araka ny famaritana etsy ambony milaza mazava fa tokony hajaina ny fe-potoana iasana. Tsy voahaja ihany koa ny fisaraham-pahefana dia ny fisian'ny rafitra mpanapa-kevitra rafetin'ny Mpanolotsaina Monisipaly sy ny rafitra mpanatanteraka tarihin'ny Ben'ny tanàna, izay samy fidiana mivantana avokoa, araka ny fivoafaritry ny lalàna 2014-020 mifehy ny Vondrombahoakam-paritra. Ao amin'ny andininy faha-130 amin'io lalàna io ihany koa no manipika mazava fa : "Na manao ahoana na manao ahoana, ny Delegasionina manokana dia tsy afaka misolo ny Filankevitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izay manohy hatrany ny anjara asany". Sady Kaominina manana sata manokana no renivohitr'i Madagasikara Antananarivo Renivohitra, nefa tsy misy olomboafidy ny mitantana tanàna ankehitriny. Mametra-panontaniana ireo mpifidy manoloana ny zava-misy eto an-dRenivohitra, hoe : aiza ireo Mpanolotsaina nofidinay sy nomenay fitokisana no avela toy izao ny tanàna ? Tsiahivina fa Mpanolotsain'ny tanàna voafidy teto Antananarivo Renivohitra no nitarika ny tolona tamin'ny 2025 ka nampisy ny fiovana, saingy rehefa roso ilay Fanavaozana dia voatsipaka sy nahilika tsy ara-drariny. Tsy voahaja ilay fe-potoana iasana araka ny sata repoblikana, izay hamafisin'ny lalàna 2014-020 ao amin'ny andininy faha-130.
HASIN'NY REPOBLIKA
Didy tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny Filankevi-panjakana na dia hita sy tsapa aza fa fanapahan-kevitra politika. Ny Delegasionina manokana notendrena tamin'ny aprily 2026 efa manao ny asany saingy tsy mifanaraka amin’ny sata repoblikana ilay sady ‘’juge’’ no ‘’partie’’ amin'ny endriny ankehitriny noho ny tsy fisian’ny ‘’Organe délibérant’’ na rafitra mpanapa-kevitra eto Antananarivo renivohitr’i Madagasikara. Any amin’ Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika no hany sisa vahaolana hamerenana ny hasin’ny Repoblika voahosihosy teto Antananarivo Renivohitra. Ho anam'ireo Mpanolotsaina voafidy teto Antananarivo Renivohitra naongana tsy an-drariny dia tsotra ny hafatra ampitain'izy ireo amin’ny mpitondra mahefa, ahatsapan’ny Vahoaka Malagasy indrindra fa ny Vahoakan'Antananarivo Renivohitra miandrandra Fanavaozana fa tena misy fitondrana manome Hasina ny Repoblika eto Madagasikara.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.