Politique

Marc Ravalomanana Lehiben’ny mpanohitra sa Ben’ny tanàna ?


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Tontosa ny 12-13 jolay teo teny amin’ny Magro Tanjombato ny Kongresy lehiben’ny Antoko Tiako I Madagasikara na ny TIM.

 

 

Nentina am-bavaka ireo depiote miisa 16 hijoro amin’ny fahamarinana sy ny fahamasinana, hijoro sy hiteny ny zavatra takian’ny vahoaka aminy. Hanitsy ny mpitondra raha mizotra amin’ny lalàna tokony ho izy, hanaja ny lalàna, ary hitandro toy ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana. Nandritra io no nanovana ny rafi-pitantana ny TIM, toy ny hoe filoha lefitra 2 dia ny ara-polika iray sy hisahana ny lafiny sosialy sy toekarana iray, raha 6 izany teo aloha. Nangataka ny Filoha Nasionalin’ny TIM dia i Marc Ravalomanana ho kandida Ben’ny tanàna eto Antananarivo ireo solombavambahoaka tamin’ny alalan’i Hanitra Razafimanantsoa sy ireo mpizaika.

Misy zavatra mbola dinihana….

 Na inona na inona mba hanasoavako ity firenena ity dia hataoko satria efa nanome toky momba izany aho tany Afrika Atsimo, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy matahotra izany aho, ary haiko io ary tena fantatro fa misy zavatra ihany koa anefa mila jerena daholo miaraka amin’izany, hoy izy. Ny tena mahavoa eto, dia misy ny sasany tsy vonona akory satria tonga ho azy tamin’ny toerana ka eo vao misambadidaka, fa izao tsy manao zavatra mihitsy raha tsy efa maty paika ny rehetra. Manoloana ny fifanitsahana amin’ny maha mety haha ben’ny tanàna sy ho lehiben’ny mpanohitra, dia tsy misy milaza mihitsy hoe tsy afa-miaraka ireo, raha ny nambarany. Vitako daholo izany satria Filohan’ny Repoblika aza nataoko ary lany aho fa tsy hoe tsy lany. Filoha ara-ekonomika taty Afrika aza niangavian’ny Vondrona Afrikanina azy, saingy izy no nilaza hoe: andraso aloha fa mbola misy zavatra hataoko any Madagasikara, hoy i Marc Ravalomanana. Na izany aza dia somary nanao vazivazy izy fa tsy tena mbola misy ny zavatra tapaka momba ireo toerana roa ireo, hoe: “mety ho any aho, fa mety ho aria ihany koa”, na ho izy roa mitambatra araka ilay teniny teo aloha. Malahelo loatra aho mahita ny vahoaka, ary tezitra hoe: aiza ve ka tsy misy rano eto Antananarivo? Oviana ianareo no mba nahita hoe: tsy nisy rano teto nialohan’ny 2009? hoy izy.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT