Hipoka olona ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy 15 oktobra lasa teo.
Nisongadina tamin’ireo lahateny nifandimbiasana ny momba ny fampiharana ilay sori-dalana. Araka ny fanazavan’i Olivier Rakotovazaha dia tsy maintsy tenierana, iaraha-manana ary tsy mitanila ny governemanta tetezamita hajoro tsy ho ela. Misy manko, hoy izy ny fampisavoritahana saim-bahoaka. Tsy misy azo hailika amin’io tetezamita vaovao hajoro io, raha ny fanazavan’ny Sekretera jeneralin’ny MFM ihany. Hery roa ny mpanatanteraka dia ny eo anivon’ny filohan’ny tetezamita sy ny governemantan’ny tetezamita. Nosoritsoritany àry fa raha avy amin’ny ankolafy Rajoelina no hitondra izany tetezamita izany dia tsy mantsy avy amin’ny Ankolafy telo ny ho praiministra izay vao hipetraka ilay hoe : tsy mitanila.
Momba ny Parlemanta, dia ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, indray dia nambarany fa tsy maintsy misasaka, toy izay koa ny ao amin’ny CENI. Hiarahana amin’ny Troika-SADC izany fandrafetana sy fananganana ny tena tetezamita izany, raha ny fanazavana ihany. Mazava manko ny tenin’ny depiote Zafilahy Stanislas. Sasanangy samihafa ny zava-misy amin’izao. Saika nolalaovin’ireo Mozambikanina ny raharaha teto Madagasikara, raha ny nambarany fa ankehitriny kosa dia efa niova ny tantana ka ny Troika no mandray an-tanana ny zavatra rehetra ho tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy ary mba tsy ho ohatra ratsy ho an’ny aty Afrika ny zava-misy eto amintsika. Dingana ihany iny nanaovana sonia ny sori-dalana iny, raha ny nambarany. Ny sori-dalana sy ny drafitra hanatanterahana izany no anisan’ny fototra hamahana izao krizy lalina eto amin’ny firenena izao. Efa nanaiky nanao Sonia iny sori-dalana iny ny rehetra, hoy ihany Zafilahy Stanislas koa aoka izay ny kajikajy politika sy ny politika maloto. Any amin’ny voalohan’ny volana novambra any, raha ela indrindra no hamantarana izay ho praiministra, hoy izy.
Ankoatra izay dia nambarany fa tsy mangataka ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana intsony izy ireo satria efa azo izany, araka izay voasoratra ao anatin’ilay sori-dalana fa ny fampiharana no andrasana. Raha ny tokony ho izy, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno dia hody mialoha ny fametrahana ny praiminisitra sy ny fananganana ireo rafitra isan-tsokajiny ny filoha Marc Ravalomanana. Manana tapa-bolana hiomanana amin’izany ireo mpiara-dia amin’ny filoha. Raha ny vaovao nampitain’ity Ben’ny tanànan’Ankaraobato ity, nisy ny fifanarahana nosoniavin’ny miaramila izay milaza fa tsy mitsivalana amin’ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana izy ireo, raha nitatitra ny resaka nataon’ny minisitra afrikanina tatsimo Marius Fransman ny tenany. Raha sanatria moa ka tsy handray andraikitra amin’ny fiarovana ny filoha Ravalomanana sy Ratsiraka ny tafika Malagasy, hoy ny depiote Camille Mektoub dia vonona ny vahoaka handray izany andraikitra izany.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.