Politique

Marc Ravalomanana Hiresaka amin’ireo depiote


  • Alatsinainy 30 Aprily 2018

Mitombina hatrany ny hoe atambatry ny finoana sy ny fivavahana ny mpanao politika Malagasy, fa akorontan’ny politika. Mahafinaritra ny mahita azy ireo miray seza sy miara-dalana sy mifandray tanana ary rehefa miresaka dia samy maneho fa zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fihavanana, ka maro no namaly ny antson’ny FFKM tetsy amin’ny EEM Ambohimanoro omaly.

 

Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no hany filoha teo aloha tonga teny an-toerana. Izaho dia mankasitraka mandrakariva ny fihavanana, hoy izy. Tena nahatsiaro tokoa fa niasa ny fanahy ary miantso antsika satria tsy maintsy mandalo amin’i Jesoa Kristy raha hihavana, hoy i Marc Ravalomanana. Nambarany fa raha hihavana tsy maintsy mifankatia, ary raha hifankatia tsy maintsy miresaka, ka tsy maintsy hataontsika izay hihavanana. Tamin-kitsim-po ny nilazany hoe: “Tena mankasitraka aho ary izay no ao anatiko ao”. Fanontaniana napetraky ny mpanao gazety ho azy ny hoe hanome baiko ny solombavambahoaka ve izany ianao tsy hanohy ny tolona ? Tsy hoe afaka ny hanome baiko azy aho fa hiresaka aminy mba hihaino tsara ny hafatra natao ara-panahy noresahina tao, raha ny fanehoan-kevitr’i Marc Ravalomanana. Tsara moa ny manarika fa nisy tamin’ireo solombavambahoaka niatrika ny fotoam-pivavahana, toa an-dry Hanitra Razafimanantsoa, Hary Andrianarivo,… Ireny dia zavatra efa ilaina hiainantsika hatrany hatrany satria iarahantsika nahita fa nandalo krizy marobe ny firenentsika hatramin’izay, ary mbola marefo dia marefo ny eo amin’ny fiarahamonina. Izany indrindra no vato misakana antsika amin’ny fampandrosoana, hoy kosa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy. Ilaina ny fitoniana ary torak’izany ihany koa ny firaisan-tsaina, ny fifankatiavana sy ny firaisankina mba hahafahana mitondra avo hatrany ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka, hoy izy. Manentana ny tsirairay mba hifanatona an-databatra boribory ity tompon’andraikitra ity. Zava-dehibe ny fihainoana ireo raiamandreny am-panahy mitondra ny fiangonana, ka tsy tokony hatao ambanin-javatra, raha ny fanehoan-kevitry ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky. Zava-dehibe ny anatra avy amin’izy ireo, ary manana fahefana amin’ny maha raiamandreny am-panahy azy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT