Mbola mitohy ihany ireo tetika sy paika ataon’ny FAT mba hanakanana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana eto Madagasikara raha araka ny nambaran’ny mpisolovavany ny Maître Hanitra Razafimanantsoa.
Miseho amin’ny endriny hafa indray, hoy ny fanazavany dia ny fangatahana amin’ireo kaompaniam-pitaterana ho avy eto Madagasikara mba hanome 24 ora mialoha ny anaran’ny mpandeha rehetra ao anatin’ny fiaramanidina. Raha io zavatra nambaran’ny Me Hanitra io no raisina dia na efa nifanaiky izao aza fa afaka mody tsy misy fepetra eto Madagasikara ireo nanao sesitany ny tenany, ary tsy tokony hisy ny fepetra ara-panjakana na ara-pitsarana raisin’ny FAT mba hanembantsembanana ny fahafahana na fahalalahan’ny hafa, dia mbola mahita hirika hanakanana ny fodian’ingahy Ravalomanana ihany ny FAT. Nandà marindrano ny fisian’io NOTAM io ny minisitry ny fitsaran’ny FAT ary nilaza fa vaovao tsy marina izany. Adihevitra hafa moa ny amin’iny fa ny tena manitikitika ny sain’ny maro koa dia ny hoe : raha toa ka tonga soa aman-tsara eny Ivato ary Atoa Ravalomanana dia inona no mety hitranga ? Tonga dia hosamborin’ny ekipan’ny jeneraly Ravalomanana ve sa hobedain’ny FIS-n’ny lietnà-kolonely Lylison ? Maro be ny tombantombana amin’ity zavatra mety hitranga amin’ny fiverenan’i Dada ity, fa ireo maharaka tsara ny toe-draharaha politika aloha dia mahita fa mahalala ny ataony Atoa Ravalomanana fa tsy hoe hitolo-batana hosamborina eny Ivato izany, fa matoa izy tonga eto dia efa mba manana ny paikadiny ihany koa, izay tsy ho ambarany mihitsy.
Azo antoka hoy ny mpanara-baovao politika iray tafaresaka taminay fa misy ifandraisany amin’ny fametrahana ny birao fiasan’ny SADC eto Antananarivo ny fiverenan’ity filoha teo aloha ity, ary efa voaresaka maharitra nandritra ny fihaonan’ny mpitandro ny filaminana malagasy sy ireo iraka miaramila avy amin’ny SADC. Raha itarina ny resaka dia rehefa tsy mahavita miaro ity filoha teo aloha ity, na tsy vonona na tsy mazoto hiaro azy ny mpitandro ny filaminana malagasy dia mety ho ny SADC no handray an-tanana izany. Tsy hoe handefa tafika eto ity vondrona ity fa azony atao tsara ny mampialokaloka an’i Marc Ravalomanana ao amin’ny biraony eto Antananarivo, izay mitovy lenta amin’ny toeram-piasana sy toeram-ponenan’ireo masoivoho eto amintsika, izany hoe tsy azon’ny mpitandro ny filaminana malagasy idirana, na ahoana na ahoana mety ho antony. Efa maro no mieritreritra izany satria efa fomba fanao any amina firenena maro izy io. Marihana fa ny masoivohon’i Afrika Atsimo etsy Ankorondrano no atao toerana vonjimaika hiasan’ny SADC ka hametrahana ilay «bureau de liaison» na birao fifandraisan’ny SADC.
Na dia nanamafy aza Atoa Marius Fransman fa tsy mitanila amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana i Afrika Atsimo dia mazava fa nanaiky ny hampiantrano ity farany ho roa taona mahery izao ity firenen’i Nelson Mandela ity. Ny fahitana azy, tsy ho ato ho ato no hanilihan’i Afrika Atsimo an’i Marc Ravalomanana. Raha ny voalaza hatramin’izay aloha dia miverina tsy misy fepetra eto Madagasikara ingahy Ravalomanana sy ireo nanao sesitany ny tenany rehetra rehefa tafapetraka ny rafitra ao anatin’ny tetezamita tena izy, izay efa mihazakazaka be ihany ny fanatanterahana azy amin’izao fotoana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.