Politique

Marc Ravalomanana Hailika tsy ho lehiben’ny mpanohitra…


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Miisa 2 ireo lalàna momba ny satan’ny mpanohitra hodinihina eny amin’ny antenimieram-pirenena mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana manomboka ny 12 aogositra izao.

 

 Tolo-dalàna avy amin’ny solombavambahoaka sy avy amin’ny governemanta izy ireo, izay hikitihana sy hanovana ilay lalàna 2011-013. Raha ny andininy faharoa amin’ilay lalàna, dia mazava be ary tsy hiadian-kevitra fa i Marc Ravalomanana no hitana ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra satria ny antoko TIM irery ihany aloha hatreto no nanao fanambarana ampahibemaso sy tamin’ny fomba ofisialy, ary efa voarakitra eny amin’ny ministera ny atitany fa hanohitra ny fitondrana  Rajoelina. Izay nilaza azy fa mpanohitra teto teto dia mbola tamin’ny fitondran’i Rajaonarimampianina avokoa. Ny Andininy faha-6 dia manamafy sy manazava be fa aorian’ny fifidianana solombavambahoaka no hametrahana izany, ka rehefa tsy misy ny fifanarahana na marimaritra iraisana amin’ireo milaza ho mpanohitra ara-dalàna, dia ny lehiben’ny vondrona antoko politika nahazo vato manan-kery be indrindra nandritra ny fifidianana solombavambahoaka no lasa lehiben’ny mpanohitra, izay ny TIM mazava ho azy. Raha tsy mahomby ny tetika ahafahana manilika an’i Marc Ravalomanana dia atao indray izay fomba rehetra mba tsy ahafahany misitraka ireo zo nomen’ny lalàna azy, toy ny fanomezana kabinetra iray izay ahitana talen’ny kabinetra, mpanolotsaina 4, ary sekretera manokana iray. Mitovy zo amin’ny solombavambahoaka ary mahazo toerana eo anivon’izany andrim-panjakana izany raha toa ka tsy solombavambahoaka no ho lehiben’ny mpanohitra. Tsy noterena na novozonana ny fitondrana tetezamita nanoratra an’io lalàna io fa tena tamin’ny sitrapony tokoa, ka tsy zakany raha ny hafa no hisitraka izany. Sarintsarina mpanohitra no tiana hapetraka, ka olona afaka baikona sy manaraka ambokony ny mpitondra. Nisy rahateo ny valandresaka nataon’i Marc Ravalomanana ny 28 jolay teo, ka ny resaka nifanaovany tamin’ny Masoivoho Frantsay Véronique Vouland-Anièni ny 2 jolay, dia nilaza fa eken’i Andry Rajoelina ny hisian’ny mpanohitra fa tsy ekeny kosa ny hoe i Marc Ravalomanana no ho lehiben’izany, raha ny resaka nataon’ity farany.

Toky R



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT