Politique

Marc Ravalomanana Fa nahoana no tena atahorana mafy ?


  • Talata 20 Aogositra 2019

Nanomboka ny taona 2009 no nenjehina fatratra i Marc Ravalomanana ary natahorana mafy ny fidirany teto Madagasikara taorian’ny fanonganam-panjakana.

 

 

 

 Tsy tafiditra teto mihitsy raha tsy niala ny fanjakana tetezamita, ary mbola tsiambaratelo hatramin’izao. 10 taona aty aoriana, mbola atahorana sy henjehin’ny fitondrana ankehitriny izay nomena ny fandresena tamin’ny fifidianana. Fa inona marina no tena atahorana azy ? Raha fitantanana sy fitiavan-tanindrazana aloha dia mety samy nanana ny hadisoany sy ny zavatra heverina fa tsara nataony ny mpitondra nifanesy fa resiny lavitra kosa i Andry Rajoelina amin’io. Na inona na inona tsy fitovian-kevitra teto, fanonganam-panjakana, ny ra mandriaka, famotehana sy fandorana ny fananan’ny mpiray tanindrazana, krizy nampahory vahoaka no nisy teto. Nanomboka ny 2009 dia efa famotehana sy famadihan-tanindrazana no nataon-dRajoelina. Tsy misy ny mpitondra tonga lafatra fa matsilo saina, fetsy, mafy loha i Marc Ravalomanana. Manana vina sy fandaharan’asa tena mahavita mampivoatra ny Malagasy sy mampandroso an’i Madagasikara. Tsy fandokafana olona fa tamin'ny fitondrany no tena hita nandroso haingana i Madagasikara, ary manaporofo izany ny tarehimarika samihafa navoakan’ny rafitra iraisam-pirenena. Afaka niady hevitra sy nifandresy lahatra tamin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola ary nampiseho fa nahavita zavatra. Tsy nanaiky ny tsindry bokotra nataon’ny vahiny sasany nihevitra fa hanao tohatra fiakarana sy nanao tsinontsinona ny Malagasy. Mahitsy fiteny fa tsy miholakolaka ary tsy nanaiky natao filoha saribakoly … Mbola mandindona hatrany ny fitondrana ankehitriny ny fisiany na efa nilefitra aza, hany ka na ny hihaona sy hifampiresaka aminy aza manahirana mafy ny fanjakana. Toa mbola mihorohoro sy tsy mandry saina aminy ny fanjakana Rajoelina fa mipetraka mandrakariva ho « bête noir » ho azy mandrakariva i Marc Ravalomanana. Lojika anefa izany satria raha ny vokatra azo tamin’ny fitantanana firenena, ny fiarahana sy fifandresen-dahatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny diplomasia, fandaharan’asa sy fanatanterahana,... raha refesina, dia mbola resiny lavitra i Andry Rajoelina sy ny ekipany hatreto aloha.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT