Tombanana ho 1,7 miliara Dolara ny vola very vokatry ny kolikoly
sy ny fanararaotam-pahefana ny taona 2019- 2024, hoy ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana. Ny kolikoly eto Madagasikara dia efa miorina ho rafitra fitondrana manokana, manimba tsikelikely ny andrim-panjakàna ary manitsakitsaka ny zo fototra ananan’ny vahoaka, hoy izy. Hatramin’ny taona 2009 dia mifanindran-dalana avokoa ny fanombanana rehetra nataon’ireo rafitra iraisam-pirenena. Madagasikara dia laharana faha 140 amin’ny firenena 180 araka ny tatitra farany navoakan’ny Transparency International. Mazava ny tsy fahombiazana. Lasa lavaka mitsentsitra vola ny orinasa an’ny fanjakana, ampiasaina amin’ny tombontsoa manokana. Ny JIRAMA fatiantoka mitentina 630 tapitrisa Dolara. Ny Air Madagascar rava tanteraka, mitondra trosa mihoatran’ny 220 tapitrisa Dolara. Ny Kraoma saiky tsy miasa intsony. Miaina amin’ny fahafatesana ara-toekarena ireo mpamokatra lavanilina miisa 80.000 noho ny fanimbazimbana sy fakàna tombontsoa amin’ny sandan’ny vokatra. Ny ankamaroan’ireo tetikasa amin’ny fotodrafitrasa dia tsy mandalo fifaninanana ara-dalàna miaraka amin’ny fandaniana be loatra avy amin’ny volam-panjakana. Ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo - Toamasina dia ohatra mazava. Ny vidiny mitentina 1 miliara Dolara, tsy nisy tolo-bidy na fankatoavana ara-tontolo iainana. Ity kolikoly miparitaka manerana ny nosy ity dia misy fiantraikany mahatsiravina amin’ny fiainan’ny malagasy rehetra. Manaporofo izany ireto antontan’isa ireto; 82% amin’ny mponina no miaina ambanin’ny fahantrana. 60% tsy manana herinaratra. 50% tsy mahazo rano fisotro madio. 84% amin’ny olona mankany amin’ny tobim-pahasalamana no mandoa vola an-tsokosoko.
HOSIHOSENA NY LALANA SY RAFITRA HIADIANA AMIN’NY LOLIKOLY
Voatohintohina ihany koa ny demokrasia ! Noho ny lesoka ara-dalàna momba ny famatsiam-bola politika dia mankalaza ny fividianana vato sy ny fanodinkodinana ny fifidianana ny rafitra nefa tsy misy fepetra ara-pitsaràna raisina. Nohosihosena sy natsahatra ny fahefan’ny rafi-pitsarana sy ireo andrim-panjakana manohitra ny kolikoly. Novàna ho an’ny tombontsoa manokana ny lalàna ary mitohy misondrotra ny fanadiovana vola amin’ny alalan’ireo orinasa misaron-doha na «sociétés écrans» satria tsy misy rejisitry ny tena tompony marina amin’ny orinasa. Ity sary mampahonena ity dia vokatry ny safidy politika mazava. Eo ny fanohizana rafitra manindrahindra ny fihinanam-bola, fifantohan’ny harena eo am-pelatanan’olom-bitsy, fanalana tanteraka ny vahoaka amin’ny zony ara-toekarena sy ara-tsosialy. Ny fitondrana ankehitriny dia miorina amin’ny tsy fanasaziana, ny fanavakavahana ara-tombontsoa na kinamanamana, izany hoe «clientélisme» ary ny fakàna loharanon-karena nasionaly. Misy drafitra telo dingana ilaina ampiharina haingana. Fepetra maika ny fanarenana ny mangarahara amin’ireo orinasa an’ny fanjakana, tsena ampahibemaso ary fanaovana fifidianana. Faharoa ny fanavaozana ara-dalàna; fametrahana sazy amin’ny kolikoly amin’ny fifidianana, fanesorana ny fanavahana amin’ny fitsarana ary fanamafisana ny rafitra mpanara-maso. Fahatelo ny fanavaozana rafitra fototra toy ny fiarovana ny volam-panjakana, fanamafisana ny mangarahara ary fiarovana ireo mpampahafantatra na «lanceurs d’alerte». Tsy maintsy tapahina avy hatrany ny kolikoly, rafitra izay manimba an’i Madagasikara, manala zo amin’ny olom-pirenena ary mampidi-doza ny hoavin’ny firenena. Fotoana izao ilazàna am-pahasahiana. Ampy izay! Mila fitsarana! Mila fahamendrehana! Mila fanarenana ny hasin’ny firenena malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.