Marc Ravalomanana

> Niantso ny Malagasy hahay hifidy


  • Zoma 13 Desambra 2013

Nitsingerina omaly ny faha-64 taona nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana. Niavaka ny fankalazana tamin’ity indray mitoraka ity, satria dia nifanotona amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka miaraka.

Raha ny feony hatrany no re hatramin’izay, dia tamin’ny alalan’ny fahitalavitra lehibe kosa no nitafany sy nifanatrehany mivantana tamin’ireo mpanohana azy tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, izy rahateo mbola any Afrika Atsimo. Manana finoana, hoy i Dada, fa tsy maintsy tonga ny fotoana hihaonantsika. Tsy hilavo lefona mihitsy isika, ary tsy manaiky raha tsy miverina ny filaminana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Mafy tamin’ny vahoaka Malagasy izay efa-taona sy tapany izay, ny fampihorohoroana sy fisamborana ary fanagadrana, mafy satria tsy afa-manoatra noho ny hery tsy mitovy. Tonga ny fotaona hoy i Dada hanehoantsika amin’ny alalan’ny fifidianana sy fomba mendrika, koa mahaiza mifidy, fidio i Dr Robinson fa afaka hitondra tsara ny firenentsika hiala amin’izao fahasahiranana sy krizy iainantsika izao izy, afaka hamerina ny tany tan-dalàna. Tsy maintsy atao ihany koa hoy izy izay hampandaniana solombavambahoaka maro an’isa mba ahafahantsika manana fanjakana mitombina sy maharitra tsy voahozongozona. Mitsodrano anareo kandida rehetra ny tenako, hoy i Dada hitondra fanarenana an’ity Madagasikara ity. Aza matahotra fa miaraka hatramin’ny farany isika. Ezaka farany angatahiko aminareo hoy izy : mahaiza mifidy amin’ny 20 desambra. Faritra maro nanerana ny Nosy no niara-nankalaza sy niombon-kafaliana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana io omaly io. Ho an’ny tao Toamasina dia ambohimpihaonana tao Ambodisoanambo Anjoma. Nanakoako ny hira “Happy birthday to you Mr President”.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT