Marc Ravalomanana

> Mila fitondrana matanjaka ny firenena


  • Alatsinainy 02 Desambra 2013


Tsy maintsy mandresy amin’ny fihodinana faharoa ny kandidà Dr Robinson Jean Louis satria efa nitarika ny fihodinana voalohany ka tsy tokony hihemotra intsony izany, hoy ny filoha Marc Ravalomanana raha niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby nandritra ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandidà Dr Robinson Jean Louis tao Antsirabe ny sabotsy lasa teo. Nisy ny hafatra sy toromarika nomeny ka nilazany fa «mitaky ezaka be amin’ny rehetra izany satria hafa ity fifidianana ity. Miaraka ny fifidianana filoham-pirenena sy ny Depiote ka mila fitandremana tsara”. Tsy maintsy porofoina ao anatin’ny telo herinandro, hoy i Dada fa Dr Robinson Jean Louis no Favori, izy no filohantsika, ka mila miasa mafy isika. Nohamafisiny fa mila fitondrana matanjaka ny firenena ka atao ihany koa izay hahalany ireo kandidà depiote miaraka amin’i Neny Ravalomanana izay natolotry ny ankolafy Ravalomanana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT