Marc Ravalomanana

> Miantso ny rehetra hifidy an’ny Dr Robinson


  • Sabotsy 30 Novambra 2013


Midera antsika ireo filoha afrikanina, hoy i Marc Ravalomanana omaly, tamin’ny andro voalohan’ny fampielezan-kevitra, satria tsy navelantsika hahazo lalana ny mpanongam-panjakana. Hanomboka ny ezaka farany ao anatin’ny telo herinandro sa mbola avelantsika hanjaka ireo ? Miasa ny vola, hoy izy nefa tsy voafitak’izany ny Vahoaka. Hiroso amin’ny fampihavanana isika hitondra fampandrosoana. Miantso ny rehetra mihitsy i Dada mba hifidy an’ny dokotera amin’ny fihodinana faharoa. Parlemanta matanjaka, miara-miasa amin’ny dokotera no ilaina ka dia ho praiminisitra i Neny. Tsy ho tanteraka ny tetika sy toetra ratsy ketrehan’ireo satria momba antsika Andriamanitra. Tsy maintsy mandresy isika ka aza matahotra, minoa fotsiny ihany, hoy i Dada namarana ny teniny.

 

RHR

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT