Miakatra avo dia avo ny maripana ao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka taorian’ny namoahan’ny CENI-t iny voka-pifidianana vonjimaika sadasada iny. Tamin’ny sabotsy 4 janoary dia feno hipoka ny kianjan’ny Magro Behoririka na teo aza ny firotsahan’ny orana teto an-drenivohitra.
Tonga maro koa ireo mpitarika notarihan’ny lehiben’ny delegasiona movansy Ravalomanana vao notendrena, Atoa Roland Ravatomanga. Niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy any Afrika Atsimo ny filoha Marc Ravalomanana, sambany io taorian’ny fahavitan’ny fifidianana farany teo iny. Nambarany fa tsy mbola vita ny tolona satria tsy kely lalana ny ratsy ary manao ny ataony ireo tsy matahotody mamilivily ny safidim-bahoaka. Miditra amin’ny andiany faharoa dia ny fiarovana ny safidim-bahoaka isika izao, ka ilaina ny firaisankina sy fifanohanana hatramin’ny farany. Tsy mijanona ny tolona eto amin’ny Magro raha tsy tonga aho. Ny movansy Ravalomanana dia efa nilaza fa tsy matahotra fifidianana raha tena fifidianana marina nijerena ny safidim-bahoaka. Ity fifidianana teo ity anefa dia tsy nandeha araka ny tokony ho niheverana azy. Noho izany arovy hatramin’ny farany ny safidinao. Matoa i Dada miteny izany dia tsy fitiavan-tseza fa fitiavana ny vahoaka malagasy. Zavatra roa no tiako lazaina, hoy Atoa Marc Ravalomanana. Ny voalohany dia niantso ahy Ingahy (Joaquim) Chissano tamin’ny alarobia. Niresaka tamiko izy hoe : “teneno ny vahoakanao ho tony !”. Hoy aho taminy hoe maninona raha teninano izy ireo ? Nilaza taminy aho fa raha tena SADC marina no nanao ny tondrozotra dia tokony ho notanterahana an-tsakany sy an-davany izany. Tsy izay anefa no nitranga.
Ny faharoa dia nanontaniako izy hoe ianareo ve dia nahalala fa nizotra am-pilaminana iny fifidianana iny nefa amin’izao dia misy fitarainana 300 na 400 eo ? Niaiky i Chissano fa nisy lesoka iny. Ianao tany Madagasikara nandritra ny fampielezan-kevitra ka naninona no tsy noteneninao izany ? Namaly i Chissano hoe : “izaho koa tsy nahalala”. Tadidinareo tsara fa nisy olona nitaraina fa nisy vato efa vita marika mialoha, ary nilaza izany ihany koa i Brian Currin. Amin’izao fotoana izao dia efa tadiavinay ny nanao ny bileta tokana. Arovy hatramin’ny farany ny safidim-bahoaka ary aza manaiky lembenana ianareo fa io tolona ataontsika io dia ho an’ny firenena, hoy Atoa Marc Ravalomanana. Tsotra fotsiny no nangatahiko tamin’ny Troïka sy ny SADC dia ny fanisana ny vato isaky ny biraom-pifidianana ary atao ny fampitahana dia mangina ho azy ireo vahoaka ireo, ka mitaky hatramin’ny farany isika. Na izany aza, tsy nohadinoiny ny niarahaba ireo vahoaka noho ny fahatrarana ny taona vaovao sy nisaotra azy ireo tamin’ny ezaka natao nandritra iny fihodinana faharoa iny.
Ntsoavina Evariste sy Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.