Taorian’ny famoahan’ny CES Ny voka-pifidianana ofisialy ny zoma lasa teo dia niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby teny amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Nambarany tamin’izany fa tsy mitsahatra ny hetsika raha tsy tonga i Dada. Nasehontsika an’izao tontolo izao hoy izy fa namerina ny tany tan-dalàna, ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny soatovina Malagasy hahafahana mandroso isika, ka tsy mbola vita ny tolona ary mbola misy fanamby tsy maintsy atrehana. Rentsika tsara, hoy izy ny nambaran’ny CES fa manao zavatra mamoafady ny mpifaninana amintsika ary mibaribary izany. Zava-dehibe ny fahendrena, ny fahatoniana, filaminana eo anatrehan’izany. Nambaran’Atoa Ravalomanana ihany koa fa nihaona tamin’ireo mpanaramaso vahiny izy ny zoma lasa teo. Voaresaka nandritra ny fihaonana fa tsy misy fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny eto Madagasikara fa manao izay saim-pantany ny mpitondra. Nambarako tamin’ireo mpanara-maso vahiny, hoy i Dada, fa efa ela no niantsoana azy ireo mba hanampy antsika hamerina ny tany tan-dalàna, efa ela no niady isika, saingy fa tsy nisy nihetsika izy ireo.
Enin-kaja sy Enim-boninahitra isika hoy ny filoha Ravalomanana tamin’iny fifidianana iny, na dia tsy fifidianana mitovy amin’ny rehetra aza. Nisy, rehefa izay, ny hafatra nampitainy, ka ny voalohany dia firaisankina, fahaiza-mijery lavitra, satria raha tena miasa amin’ny fihetsika mamoafady ny mpifanandrina amintsika, manao ny tsy mety amin’ny vahoaka, isika kosa aza manilikilika ny hafa. Vonona isika hoy izy fa araho tsara fotsiny ny toromarika omena. Ny Avana sy ny movansy Ravalomanana dia hatao maodely aty Afrika, mandresy isika, ary tena be ny fanantenana, hoy i Marc Ravalomanana. Nanafatra ny mpitarika ihany koa ny tenany mba hahay handanjalanja ny teny izay avoaka, ary ny vahoaka kosa dia aoka hihaino tsara ny mpitarika. Tsy ho ela dia ho avy i Dada, hoy izy, namarana ny resany.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.