Marc Ravalomanana

“Azo atao ny manangana fitsarana manokana hitsara ny fifidianana”


  • Zoma 15 Septambra 2023

Nihaona tamin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny PNUD ireo kandida Filoham-pirenena

mametraka ahiahy amin’ny zotram-pifidianana omaly Andraharo, fihaonana naharitra ora iray. Nanao tatitra tamin’ny sehatra iraisam-pirenena mikasika ny zava-misy sy ny ahiahy. Ny PNUD rahateo dia isan’ny mpiara-miombon’antoka mivantana amin’ny fifidianana eto satria izy ohatra no voalaza fa hiantoka ny fanontana ny bileta tokana. Nihaona tamin’ny FFKM ihany koa avy eo, kandida 6 sy solontena no voalaza fa nandray anjara tamin’izany. Ny 2 tamin’ireo mpitarika ny FFKM ihany moa no afaka nandray azy ireo. Tsy nisy nipika, resaka, saingy naneho tamin’ny ambangovangony kosa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa fandaminana ny fiainam-pirenena ankampobeny no antony. Tao anatin’izay no nanehoany, fa afaka hirosoana ny fananganana fitsarana manokana misahana ny fifidianana, hoy ireo kandida manohitra ny firotsahan’I Andry Rajoelina. “Azo ivalozana ny didin’ny HCC rehefa tena ifampiresahana, ahoana tamin’ny 2013 nisy an’ilay CES na Fitsarana manokana misahana ny fifidianana. Afaka miteny izy hoe: aleo hijanona amin’ny maha HCC anay izahay, fa manangana fitsarana misahana ny fifidianana hafa, azo ifampiresahana daholo izany”, hoy ny Marc Ravalomanana.Tao anatin’ny ampahan’ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny HCC omaly Atoa Florent Rakotoarisoa moa, dia naneho fa “tsy manda ny fifandaminana, izay hampilamina ny tany no atao, raha mampifanatona ny Raiamandreny am-panahy, tsy misy maniry ady, fa izay hampilamina no atao”. Nampahatsiahy, fa efa nisy làlana nivoaka ny lalàmpanorenana tahaka ny “pacte de responsabilité”, fa ny azy azy ireo tsy nisy an’izany tamin’ireo fanapahan-kevitra noraisiny raha ny nambarany.
Toky R

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT