Politique

Marc Ravalomanana “Ataovy mazava sy madio ny fitsipi-dalao”


  • Alakamisy 08 Desambra 2022

Tsy hita taratra ny fahavononan’ny Mpitondra hanatanteraka fifidianana madio sy milamina kanefa efa taom-pifidianana ny 2023 higadona afaka andro vitsy,

ka tsy afaka ny hangina manoloana ny loza mitatao ho an’ny Demokrasia, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly 07 desambra 2022. Ho fisorohana ny savorovoro sy ny korontana mety hateraky ny fifidianana ratsy fanomanana sy tsy andraisan’ny rehetra anjara dia nitondra soso-kevitra ny tenany. Nambarany fa tsy tomombana sy tsy mizotra araka ny tokony ho izy ny lisi-pifidianana, ary tsy mahazo ny faharisihan’ny rehetra ny fanavaozana manontolo, ka ho sarotra ny hahazoana Lisitry ny Mpifidy feno sy madio raha izao zava-misy sy fomba fiasa izao no mitohy. Miantso fanatanterahana ny fanavaozana manokana (Révision spéciale) ny Lisitry ny mpifidy manomboka ny fotoana hivoahan’ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato ka mifarana 30 andro mialohan’ny andro fandatsaham-bato ny TIM. Miantso ny hanomezana malalaka ny antoko sy fikambanana politika rehetra hanao ny fanentanana ny fiainana ara-politika manerana ny nosy izay zo omen’ny lalàna azy ireo rahateo. Miantso ny hanajanonana tsy misy hatak’andro ny fanaovana « jugement supplétifs » sy ny fanaovana karapanondrom-pirenena faobe izay sokajian’izy ireo ho mety hiteraka hosoka sy tsy fifampitokisana. Ho an’ny tetiandrom-pifidianana sy ny famerana ny tetibola, nilaza i Marc Ravalomanana fa tsy hita mazava ao amin’ny lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana ireo Fifidianana tokony hatao amin’ny taona 2023, ary tsy ampy hanatanterahana ireo fifidianana tokony hatao ny tetibola voasoratra hanatanterahana izany amin’ny taona 2023 raha ampitahaina amin’ny teo aloha sy ny fanambaran’ny CENI. Tsy azo ekena , hoy I Marc Ravalomanana, ny mety ho fikasana handika ny lalampanorenana sy ny lalàna velona eto amin’ny firenena ka hanitarana ny fe-potoam-piasana na ho an’ny Filoham-pirenena na ho an’ny Ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsaina eny anivon’ny Kaominina. Takiany ny hanambaran’ny Governemanta mazava ireo fifidianana ho tanterahina amin’ny taona 2023 sy ny fanokanana vola ampy hanatanterahana azy ireo mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Mitaky hatrany ny hanaovana fikaonandoham-pirenena hametrahana fitsipi-dalao hitovian’ny herijikan’ny kandida rehetra noho izany ny tenany, izay nanipika fa misy lesoka ny lalàm-pifidianana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT