Marc Ravalomanana

“Aleo hisafidy malalaka ny vahoaka, fifaninana masina ity”


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no kandida ho filoham-pirenena nisantatra voalohany ny taratasy filatsahan-kofidiana omaly atoandro teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC tetsy Ambohidahy.

Isika Malagasy ihany no afaka miara-mamonjy ny firenena, ary izay ilay atao hoe: firaisaisankina sy fiaraha-miaina, miara-mijery izay mahasoa ny vahoaka sy mahasoa ny tsirairay, ao ny mpampianatra, ao ny Raiamandreny, ny tantsaha, ny mpiasam-panjakana,… izay tsy maintsy hojerena daholo, ka mila miray hina isika”, hoy I Marc Ravalomanana. Naneho ny tenany fa mahatoky sy mino fa ho voavonjy ny firenena raha tena miray hina satria tena mitaraina ny vahoaka Malagasy, efa any amin’ny 89% no tena sahirana. Nanamafy ihany koa fa tena hanaja toy ny anakandriamaso ilay “charte de bonne conduite” izay sata ho an’ny Malagasy aminy, antoko politika izay manodidina ny 40 eo no nanasonia, ka nilazany fa tena tsara iny, ary tokony tsy hifankahala, tsy hifanao ratsy, tsy hifanakantsakana, fa aleo hisafidy malalaka ny olona. Nomarihiny anefa fa misy ny sasany mieritreritra fa tsy te hanao an’iny tamin’ny ora farany na nanao ihany fa ataony “paraphe” fotsiny. “Aleo mifanaja, fifaninana masina ny fifidianana, ka ataovy adin’ombalahin’ny mpianakavy”, hoy hatrany I Marc Ravalomanana naneho fa hamerina ny soatoavina Malagasy. Nanisy resaka ny fitavozavozana sy tsirambina kosa I Marc Ravalomanana eo amin’ny lafiny fikarakarana sy pitsopitsony, ka nilaza fa misy fahatarany ny fanomanana ireo dingana amin’ny fakana ireo dosie. “Raharaham-pirenena anefa ity ka tsy tokony hosangisangiana fa rehefa hoe: ity ny didim-panjakana dia hajaina”, hoy izy eo anatrehan’ny mbola tsy fisiana toromarika samihafa izay lasa misy fifanilihana, toy ny fikarakarana dosie. Hentitra io filoha teo aloha io niantefa amin’ny CENI hoe: tena hainareo ve ny asanareo sa tsia? “Raharaham-pifidianana ity atao ity kanefa ny CENI, dia tokony ho efa niomana 2 herinandro nialoha. Ny governemanta mamoaka didy kanefa tsy ampiharina ny baiko satria izay anontaniana milaza fa mbola tsy nahazo toromarika. Lasa mifanilikilika, fa raha ny HCC izao dia mbola tsy nahazo toromarika fa mba tonga dia noraisiny fotsiny rehefa tonga, hoy I Marc Ravalomanana. Momba ny tetibola hoenti-miatrika ny fifidianana, dia isan’ny nomarihin’I Marc Ravalomanana fa mety handiso ny kajy ny haratsian-dàlana. Ho an’ireo kandida izay manana olana amin’ny ara-ketra, dia tokony entaniny ny vahoaka Malagasy izay tena mankasitraka azy hoe: mba ampio, izay ilay Malagasy mifanampy, hoy izy. Nanamafy I Marc Ravalomanana, fa betsaka loatra ilay anto-bola izay 50 tapitrisa Ar lasa 200 tapitrisa Ar, izay lasa sakana ho an’ny kandida sasany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT