Politique

Marc Ravalomanana : Ady mafy ho an’ny Tanindrazana no hatao


  • Alakamisy 25 Febroary 2010

Nody ventiny ny rano nantsakaina, hoy ny filoha Ravalomanana, satria ny zava-misy ankehitriny dia ny firenena maneran-tany mihitsy no manameloka ny fitondrana tsy ara-dalŕna.

 

Manoloana izany, hoy ingahy Ravalomanana, dia tokony hieritreritra sy handini-tena ireo mpitondra tsy ara-dalàna. Tonga ny fotoana  handinihana ny ho avy, hoy ihany izy. Niray feo koa izao tontolo izao fa tsy maintsy hatao izay hamonjena ny vahoaka malagasy izay fadiranovana, araka ny fanazavany ihany. Vonona hanampy an’i Madagasikara amin’ny famerenana ny ara-dalàna sy ny lalàmpanorenana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy izy. Tanjona ny hanatanterahana fifidianana malalaka sy mangarahara ahafahan’ny vahoaka malagasy mifidy izay ho filohany. Tsy ho tompon-trano mihono ianareo, hoy ihany izy. Noho izany dia fantatra fa hiditra amin’ny antso an-tariby matetika etsy amin’ny kianjan’ny ara-dalàna ny filoha Ravalomanana. Mikasika ny vola nalaina tamin’ny tsy rariny, dia nambaran’ny filoha fa tsy maintsy ho fantatra izany, na dia ovaina aza ny kaonty. Fantatra ihany koa fa dia nandefa delegasiaona tany amin’ny vondrona eoropeanina ny fanjakana FAT, dia ry zareo avy ao amin’ny Médiature de la République saingy tsy noraisin’ny Vondrona Eoropeanina izy ireo. Nanentana ny vahoaka moa ny tenany mba haneho firaisan-kina, hiara-hientana, hanao izay azo hatao rehetra, haneho ampahibemaso fa takiana ny fampiharana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba, izay hany lalana hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao. «  Ady mafy ho an’ny tanindrazana ity », hoy ihany i Marc Ravalomanana izay nanipika fa tsy mitovy velively tamin’ny tranga niseho tany Niger ny zava-nisy teto Madagasikara. Niantso ho amin’ny fampihavanana koa ny tenany. Ho avy ny fotoana, hoy izy, hiarahana manarina ny firenena.
 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT