Politique

Marc Ramiarinjatovo Hisy ny «Dinika nasionaly »


  • Zoma 14 Oktobra 2022

Mandeha ary miditra amin’ny dingana vaovao ny firosoana amin’ny hanatanterahana ny « Dinika nasionaly » eto Madagasikara handaminana ny olana misy sy hisorohana ny mety hitranga mialoha,

mandritra ary aorian’ny fifidianana ho avy, araka ny nambaran’i Marc Ramiarinjatovo, filoha nasionalin’ny fikambanana « Madagasikara Vaovao » ary efa Ben’ny tanànan’i Alasora teo aloha. Mpitondrateny ihany moa ity farany fa zavatra iombonana no nambarany, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy omaly, fa hiditra kihon-dalana lehibe ny firenena afaka volana vitsy, dia ny fifidianana. Misesy anefa ny endrika isehoan’ny tsy fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka, sesilany ny fitakiana ataon’ny sendika, etsy ankilany koa ny fanankianana ataon’ireo mpanao politika mikasika ny « logiciel » ampiasain’ny CENI amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana hany ka miraviravy tanana ny Vahoaka manoloana ny andraikitra tokony raisiny, hoy i Marc Ramiarinjatovo. Anjaran’ny mpitondra fanjakana, hoy ity farany no miantoka ny filaminana sy fandriampahalemana manoloana izany. Notsiahivin’ity mpanao politika ity fa niatrika ny « Dinika nasionaly » ny tany Tchad ; nandray anjara ny hery velona rehetra ary nahitana fahombiazana izany nandaminany ny tany. Tao Frantsa dia nampiantso ireo hery velona ihany koa ny filoha Macron nitadiavana vahaolana politika. Nanamafy i Marc Ramiarinjatovo fa lalana tokana hivoahana amin’ny krizy ny « Dinika nasionaly ». Eto Madagasikara hoy izy dia efa misy ny fifanantonana hananganana ny komity handrindra ny fanatanterahana azy io. Lahadinika amin’izany ny momba ny fifidianana, ny tontolo ara-ekonomika sy ny ara-tsosialy. Notsipihiny mazava fa « tsy hanonganam-panjakana ny Dinika nasionaly fa hikatsahana kosa vahaolana iraisana hisian’ny fitoniana politika mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Ho sehatra hitondran’ny tsirairay anjara birikiny amin’ny fanarenana ny firenena ihany koa ». Nanamafy i Marc Ramiarinjatovo fa sehatra iray ny « Dinika nasionaly » hanehoana amin’izao tontolo izao fa mahay mifampiresaka sy mpifampiheno ny Malagasy. Tanindrazana iombonana rahateo, hoy izy i Madagasikara, ka tsy mendrika hiaina krizy lava koa fotoana izao hanehoana fa haintsika ny mametraka lamina ho an’ny firenena. Hatao fitaratra ny Malagasy fa mahay mifanaja sy mpifampihaino. Mila mazava ny fitsipi-dalao. Lalam-pifidianana voavao no hamaritra izany, madio mangarahara eken’ny rehetra mba hampavitrika ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fifidianana. Izay filoha ho lany eo dia ho eken’ny rehetra, ho afaka hampandroso an’i Madagasikara satria hiverina ny fitoniana, tsy hisalasala ny hanampy ireo mpiara-miombona antoka. Manantena ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy ny fahendren’ny mpitondra fanjakana isan’ambaratonga, ny andrimpanjakana, ny avy amin’ny fanoherana, antoko politika, hery velona, sendika, Fiangonana, teknisiana, raiamandreny ara-drazana, handray anjara mavitrika amin’io « Dinika nasionaly » hatao io. Miantso ny FFKM izy ireo hitarika ity « Dinika nasionaly » ity, hatao ankitsipo sy anatin’ny fahendrena Malagasy.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT