Politique

Marc Ramiaranjatovo Miantso ireo ben`ny tanàna hanatevin-daharana ny tolona


  • Alarobia 02 Mey 2018

Mihamafy ny hetsika eny amin`ny Kianjan`ny 13 mey, toy izany ihany koa ireo fanentanana maro samihafa. Hetsi-bahoaka ny tolona ataon`ireo depiote ho an`ny fanovana fa tsy fanonganam-panjakana, hoy ny lahateny nifandimby.

Tsy manongana ny sivily fa ny miaramila no azo lazaina hoe “manongana”, hoy ny ben`ny tanànan’Alasora, Marc Ramiaranjatovo. Maro ireo te hanaraka ny tolona fa mbola matahotra noho ny  antony samihafa. Manao antso avo ho an`ny tanàna rehetra izay afaka miakatra ny tenany. Efa re fa maro no miomana hiakatra eto an-drenivohitra hanatevin-daharana ny tolona sy hanohana ireo depiote, hoy hatrany ny fanazavana. Iaraha-manana, iaraha-manova ary iaraha-mitondra ity firenena ity ka anjaran`ny mpiasam-panjakana ny manidy ny biraom-panjakana ka hanomboka amin`izay ny fitokonambe fampikatsoana ny raharaham-panjakana, hoy hatrany ity ben`ny tanànan`Alasora ity.


Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT