Lanin’ny maro an’isa nasiam-panitsiana omaly tao anatin’ny fivoriana nitambaram-be azon’ny besinimaro natrehana teny anivon’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena ny volavolam-pandaharam-potoana naroson’ny birao maharitra sy ny « conférence des présidents » hodinihan’ireo solombavambahoaka hatramin’ny faha-24 novambra ho avy izao.
Nampiaka-peo ny depiote sasany ny tsy nisian’ny resaka « face à face » parlemantera sy governemanta tao anaty fandaharana ka nolanian’ny rehetra fa hatsofoka ao. Fa nanazava ny zava-misy mikasika azy koa omaly ny depiote Mara Niarisy avy any Ankazoabo Atsimo ary nanizingizina fa tsy manara-dalàna ny zavatra natao taminy sy ny fananany tany Ankazoabo ary tena halatra sy famonoana olona ary fandravam-pananana no ataon’ireo miaramila alefa mampandry tany any Atsimon’ny nosy any. Navakavahana fahatany ireo omby fananako, hoy izy, fa tsy misy manana taratasy mazava izany ireo nijoro ho vavolombelona fa very omby. Raha nanao ny tsy nety izany ny tenako, hoy izy, efa ela no voasambotra sy nanaovana « mandat de perquisition » fa matoa aho lany in-4 miantoana tao amin’ity distrika misy ahy ity tsy adala akory ny vahoaka mametraka fitokisana amin’ny lazaina fa mpangalatra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.