Politique

Mara Niarisy « Avelao aho hiaro tena ”


  • Sabotsy 07 Novambra 2015

Neken’ny teny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza omaly fa atsangana amin’ny alatsinainy ho avy izao ny vaomiera manokana hanadihady ny raharaha Ankazoabo ary tena ho any an-toerana mihitsy hijery ny zava-misy.

 

Etsy ankilan’izay dia mbola nanamafy omaly ny depiote Mara Niarisy fa tsy rariny ny zavatra nataon’ny mpitandro filaminana taminy, avelao aho hiaro tena hoy izy ; raha misy zavatra mampiahiahy na tsy mety nahoana no tsy niresaka akory tamiko sy tamin’ny birao maharitra ny mpitandro filaminana hoy izy.Amin’ny fomba ahoana moa no hahafahana milaza fa halatra avokoa ny ombiko ka nalaina ary tonga dia nozaraina taman’olona, hoy hatrany ity olom-boafidy tany Ankazoabo atsimo ity.Azo natao tsara ny nifampiresaka hoy Mara Niarisy mialoha ny hilazana fa mpangalatr’omby na dahalo aho, saingy tonga dia norobaina tsotra izao ny fananako ka tsy manaiky izany aho.



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT