Manoloana ny Forum Économique “Madagasikara–Dubaï” izay notanterahina ny 27 sy 28 mey 2025,
dia naneho ny ahiahiny tamin’ny alalan’ny fanambaràna ofisialy ny Antoko TIM, notarihin’ny filoha mpanorina azy, Marc Ravalomanana. Nitsikera manokana ilay tetikasa angovo vaovao miaraka amin’ny vondrona Masdar avy any Emirà Arabo Mitambatra izy, izay voalaza fa hiteraka famokarana angovo avy amin’ny masoandro mitentina 150 MW. Araka ny fanambarana, tsy nisy mangarahara ny fanatontosana ity tetikasa ity, ary manahiran-tsaina ny fisian’ny mpanolotsaina “miafina” ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, tsy voafaritra mazava ny anjara andraikiny, nefa mitana toerana afovoany amin’ny fifanarahana. Tsy mbola nisy fanazavana ofisialy sy feno momba ireto manaraka ireto: vola lanin’ny tetikasa, fomba famatsiam-bola (fanomezana, trosa, sa fiaraha-miombon’antoka), faharetan’ny fifanarahana, antoka omen’ny fanjakana, vidin’ny herinaratra hovidian’ny JIRAMA, faritra hahazo tombontsoa (ambanivohitra sa indostria), daty fanombohana, mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ary indrindra ny fisian’ny antso tolo-bidy araka ny lalàna 2015-039 sy ny Code de l’électricité. Raha raisina an-tsaina fa mihoatra ny 80% amin’ny mponina Malagasy no mbola tsy manana herinaratra, ary mibaby trosa goavana i JIRAMA, dia tokony hodinihina amin’ny alalan’ny fitsipika mazava sy tombana hentitra ara-tsosialy, ara-bola ary ara-panjakana ny tetikasa rehetra miditra amin’ny fanjakana, hoy ity fanambarana ity. Ankoatra ny sehatry ny angovo, niompana koa ny ahiahin’ny TIM amin’ny tetikasa hafa eo amin’ny sehatry ny fambolena, fizahantany, ary ny fotodrafitrasa. Ahiana hitarika amin’ny famindrana na fanomezana tany, fanomezana fifehezana morontsiraka na seranan-tsambo ho an’ny vahiny izany,… nefa tsy misy fakan-kevitra amin’ny vahoaka, tsy arahina fanadihadiana mialoha momba ny fiantraikany, ary tsy mazava ny fitsipika arahina. « Raha loharano sy harena ho an’ny taranaka mifandimby no resahina, tsy azo ekena ny fanapahan-kevitra ataon’olom-bitsy ao anaty kimaizimaizina », hoy Marc Ravalomanana. Noho izany, nangataka amin’ny Antenimierampirenena ny Antoko TIM mba hanatanteraka fanadihadiana misimisy kokoa amin’ireo minisitra voakasika: ny Angovo, ny Fitantanam-bola, ny Raharaham-bahiny, ny Fambolena, ny Fizahantany ary ny Fitaterana. Nohamarihiny fa manohana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny sehatra maro ny TIM, saingy ilaina ny fepetra hentitra: fanajana ny tany tan-dalàna, ny fahaleovantenam-pirenena ary ny mangarahara amin’ny fitantanana. Inona no ho setriny avy amin’ny mpanohitra raha « henoy izany ry hazon-damosiko » ohatran’ny mahazatra no hataon’ny mpitondra ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.