Politique

MAPAR lasa mipatitaka Efa fambara ratsy ho an’ny fitondrana Rajoelina


  • Talata 21 Martsa 2023

Miharihary ny sary politika, fa miha malemy sy miha marefo ny fitondrana Rajoelina sy ny antokony. Mihakely ny herijika ho an’ny fifidianana 2023.

Nisintaka ny MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin’I Hajo Andrianainarivelo, ary isan’ny nanakiana mafy rehefa niala tao anatin’ny fanjakana volomboasary, fa nihemotra isika raha raisina amin’ny antontan’isan’ny Banky Iraisam-pirenena izay namoaka fa 80% mahery ny tahan’ny mahantra. 75 ilay izy, lasa any amin’ny 80%, raha ny nolazain’ny MMM tany amin’ny septambra 2022, ka nilazan’ny Filohany tamin’izany fa tompon’andraikitra amin’izany ny mpitondra. Niala tao anaty Fitondrana ny MMM, izay midika fa tsy resy lahatra intsony sy tsy mahatoky, ary mety tsy manantena fa mbola ho tafavoaka izao fitondrana izao ka aleo misintaka. Misy ihany koa anefa ny mieritreritra fa mety ho paikadim-pifidianana 2023 ny an’ny andaniny sy ny ankilany, saingy heverina fa vaky ny sambo na izany aza. Mamparefo ny MAPAR sy TGV io satria na ao amin’ny Antenimiera aza dia misy amin’ireo depiote lany tamin’ny anaran’ny IRD no lany tamin’ny MMM. Antoko hafa toa efa any ivelany ihany koa ny ilan-tongotry ny AVI, izay toa efa misabaka, ka heverina fa isan’ny nanaovan’ny Freedom vava nandrindra ny fanombohan’ny taom-pikatrohany ny herinandro teo fa izy tsy misababaka izany na ho izy aza no mety ho antoko farany manohana an-dRajoelina. Etsy andaniny ihany koa, mifamango ny TGV sy IRD izay vao mainka mampisamboaravoara ny sambon’ny volomboasary. Misy ny maneho fa sarin’ady ny an-dRajoelina sy Siteny Randrianasoloniaiko, saingy ao ihany koa no miteny fa ady vaky io. Misy amin’ireo mpanohana ny volomboasary no lasan’ny mavomavo ka anisan’izany ny depiote sasany. Mifanjono anaty koveta izany ny andaniny sy ny ankilany amin’ny lafiny iray, ka heverina fa hampihena hatrany herijikan-dRajoelina sy ny volomboasary. Asa aiza ho aiza ny Hiaraka Isika, Liharaike, Maitso? Eo ny hotakotaka ara-politika anatin’ireo nanohana an-dRajoelina, izay betsaka no mivoaka an-tsisiny sy te ho tratra farany, fa sarotra tanteraka ny toerany noho ny vokatry ny fitantanany izay fitotonganana ara-toekarena, fitomboan’ny fahantrana, fahasahiranam-bahoaka lalina, fidangan’ny vidim-piainana,… Raha zohiana amin’ireo, azo heverina fa azo resena tsara tahaka ny mangamanga na ny HVM tamin’ny 2018 ny volomboasary raha fifidianana madio.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT