Raha tsy misy ny fiovana dia hanomboka amin’ity taona vaovao 2014 ity ny «Stratégie nationale de relance du développement». Io fandaharan’asa io no hanoloana ny Madagasikara Am-Perinasa tamin’ny fitondrana Ravalomanana eo am-piandrasana ny fijoroan’ireo rafitra vaovao ao anatin’ny Repoblika fahefatra.
Sehatra maro no hosahanin’ity paikadim-pirenena ho amin’ny fampandrosoana hiandraiketan’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana mivantana (PNUD) ity izay miainga amin’ireo fahasahiranana iainan’ny mponina andavanandro manerana ny Nosy. Eo ny lafiny fitantanana mahomby, ny sehatry ny asa, ny lafiny ara-tsosialy, ny fanajariana ny tany, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ireo tetikasa mifandraika amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Efa nisy ireo karazana atrikasa maro nanangonana ireo soso-kevitr’ireo olom-pirenena, tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ireo mpiantsehatra momba ny fampandrosoana nialoha ny faran’ny taona 2013 ho fampiharana ny drafitra voaravona mikasika ny SNRD. Anjaran’ny PNUD kosa no nisahana ny fiantsoana ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena entina hamatsiana ity paikady ho fanarenana ny fahapotehan’ny firenena malagasy taorian’ny krizy lavareny niainan’ny vahoaka tao anatin’izay dimy taona izay. Ankoatra ny paikady hirosoana amin’ny fampandrosoana dia efa nanomboka ihany koa ireo fanadihadiana ho an’i Madagasikara momba ireo programa hanatrarana ny Tanjon’ny taona arivo fahatelo andiany faharoa izay hiaraka hiainga amin’ny fisian’ireo rafitra mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Ny OMD andiany faharoa izay mamaritra ireo teboka vaovao mila tratrarina hatramin’ny taona 2030. Madagasikara izay ampahatsiahivina ihany fa efa anisan’ireo firenena nanana ny herijika rehetra nahatrarana ireo Tanjon’ny taona arivo fahatelo voafaritra hatramin’ny taona 2015 saingy nisy ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.