Nanazava fohy ny lalana nizoran’ny profesora Zafy Albert, ny profesora Manoro Regis izay mpitondra tenin’ny Ankolafy Zafy Albert sady sekretera jeneralin’ny antoko Undd.
Nambarany, fa nahavita zavatra maro teto amin’ny firenena ny raiamandreny Zafy Albert ary izany no nametrahana azy ho Rain’ny demokrasia sy fampihavanam-pirenena. Sekoly maro no nodiaviny ka tao amin’ny “Ecole Regionale” Analalava izy no nanovo fianarana voalohany. Avy eo niakatra teny Ankatso ka ny taranja Matematika sy Fizika no nataony teny. Lasa dokotera ny profesora Zafy Albert, ka niasa tao amin’ny hopitaly Befelatanana. Nanohy ny fianarany tany ampita izy, ka nahavita ny “Aggregation en chirurgie” ka niasa tao amin’ny hopitaly HJRA sy Befelatanana taorian’izay. Ny taona 1991, dia nisy ny hetsi-bahoaka teto amin’ny firenena, ka anisan’ny lohandohan’ny mpitarika ny tolona ny profesora Albert Zafy. Teo antenantenan’izay, dia lasa filohan’ny tetezamita izy na HAE na “Haute Autorité de l’Etat”. Ny taona 1992 no voafidy ho filohan’ny Repoblika ary nahazo ny salan’isa 66% ny profesora Zafy Albert ary nitsahatra teo amin’ny fitondrany izy ny taona 1996, rehefa tratry ny « émpechement ». Niala mora teo amin’izany toerana izany ny profesora ary tsy nanakorontana, hoy hatrany i Manoro Regis. Lany ho solombavambahoaka izy taorian’io fialany io.
Fampihavanana
Ny taona 2001 – 2002 dia nitory ny atao hoe « Fampihavanam-pirenena » izy ary nimasoany ny hanatanterahana azy io hatramin’ny farany, noho ny resaka politika tsy nitovizan-kevitra teto, natsangana ny komitin’ny fampihavanam-pirenena (CRN) saingy, tsy tontosa izany hatramin’izao. Izay no nametrahana azy ho Rain’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fivoriana teto an-toerana sy tany ivelany nikaroham-bahaolana politika noho ny krizy 2009 izy. Taty aoriana, tsikaritra fa nifanakaiky kokoa ny Pr Zafy sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana na dia mpifahavalo politika aza tany aloha.
Ny marina
Anisan’ireo sahy nijoro nanao ampamoaka ka namoaka dosie momba ny trafikana boaderozy misy eto Madagasikara ny Profesora Zafy Albert ary tena nahitsy fitenenana. Marihana fa teto Antananarivo no niasa sy nianatra ny profesora Zafy Albert, ka rariny sy hitsiny raha notokanana ho azy izany lalana eny Ivandry izany, hoy i Manoro Regis.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.