Politique

Manomboka mitety faritra i Siteny Nakotroka ny fandraisana tao Ikongo


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Taorian’ny fangatahan-drano tany Iharagna Vohémar Faritra SAVA ny alatsinainy teo sy ny fizarana fanampiana ho an’ireo traboina maro be tao amin’ny Kianja Mitafo Tsenengea Toliara ny andron’ny talata,

dia niazo an’i Ikongo, ary niara-nankalaza ny andron’ny 8 martsa tany an-toerana indray solombavambahoaka voafidy tao Toliara I sady Filohan’ny Komity Olimpika Malagasy no filohan’ny judo aty Afrika ity. Niara-dia taminy tamin’izany ny depiote voafidy tany Morafenobe Atoa Voninahitsy Jean Eugène, ary nandray azy ireo tamim-pomba fifanajana kosa ny depiote voafidy tao Ikongo sady mpampiantrano Atoa Brunelle Razafitsiandraofa. Nakotroka ny fandraisana ity depiote ity tany an-toerana, ary naneho ny hery sy ny tanjany ihany koa ireo fikambanam-behivavy 8 martsa sy mpikatroka anatin’ny Fondation Siteny maro be nampitovy loko sy nanao fanamiana misy anaran’I Siteny. Tahaka izany ihany koa ny sary niseho tao Manakara io omaly io hatrany. Teo ny fanamarihana ny 8 martsa, fa tafiditra ao anatin’ny fidinana ifotony sy fihainoana ny vahoaka ataon’I Siteny Randrianasoloniaiko ihany koa izao, raha ny sary nivoaka tany an-toerana omaly. Heverina ihany koa fa efa karazana fivoahana ara-politika ataony amin’ny mety haha kandida Filoham-pirenena na tsia. Raha ny fantatra mantsy, hisafidy Faritra iray any Toamasina i Siteny Randrianasoloniaiko, hanokafana an’ilay hoe: « Mihava Tour », ary afaka 60 andro farafahatarany no hilazany, na ho kandida na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 ny tenany, araka ny nambarany nandritra ny fihaonany tamin’ireo “Pro-Siteny” teny Talatamaty ny faran’ny herinandro nivalona teo. Ara-politika, tsikaritra tamin’ny diany tany Vohémar ny faran’ny herinandro teo fa misy ireo olom-boafidy manomboka maneho mivantana fa miara-dia na akaiky an’i Siteny Randrianasoloniaiko ankoatra an’ireo mety mbola tsy miseho.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT