Omaly maraina no nigadona teto an-tanindrazana ny jeneraly Rasolondraibe Jean Jacques, ministry ny Atitany tao anatin’ny governemanta Pascal Rakotomavo, tamin’ny andron’ny amiraly. Fiaramanidin’ny Air Madagascar avy any Parisy Frantsa no nitondra azy tamin’ny 4 maraina. Raha tazanina tamin’ireo olona akaiky ny Amiraly tamin’ireo dinika tany Maputo sy Pretoria, araka izany, dia efa eto avokoa ny ekipan’ity farany. Na ireo izay akaiky azy nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena talohan’ny 2002 aza dia efa eto avokoa. Anisan’ireny ny praiministra teo aloha Tantely Andrianarivo, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile, ny governoran’Antsiranana teo aloha Gara Jean Robert. Tsikaritra amin’izao ny fihazakazahan’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Niray fiaramanidina tamin’ity olon’ny Amiraly ity ihany koa ny praiministra teo aloha an’ny FAT, Monja Roindefo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.