Politique

Manoloana ny fanambarana nataon’ny minisitry ny atitany sy fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, ny 31 martsa lasa


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

teo, izay mandrara ireo hetsika politika atao an-kalamanjana ankoatra ireo hetsika karakarain’ny mpitondra fanjakana,

dia tsy afaka ny hangiana manoloana ny fanohitohinana ny demokrasia ny Malagasy miara-miainga na MMM fa manao izao fanambarana manaraka izao, hoy ity antoko politika ity, ny sabotsy teo. Melohinay, hoy ny MMM, io fanambarana io satria fomba fanao efa nilaozan’ny toetr’andro tanteraka ny didin’ny be sandry sy ny famerana ny olompirenena haneho hevitra sy hifamory am-pilaminana, izay falalahana fototra arovan’ny andininy faha 20 amin’ny fanambarana mahakasika ny zon’olombelona sy ny andininy faha 10 amin’ny lalàmpanorenana malagasy. Tsy fanajana ny olom-boafidy, ben’ny tanàna, mpanolontsain’ny tanàna, solombavambahoaka ary loholona io fanambarana io satria adidin’izy ireo amin’ny maha olom-boafidy sy mpanao lalàna ny fanaovana tatitra amin’ireo olompirenena nifidy azy ireo. Ampahatsiahivinay ny filohan’ny repoblika, Rajoelina Andry, fa ny 17 janoary 2009 dia nametraka ny Kianjan’ny demokrasia ny tenany mba ho fiarovana fahalalahana maneho hevitra sy mifamory. Ankehitriny ny fitondram-panjakana tarihiny indray no manitsakitsaka izany fahalalahana izany. Ny politika dia tsy ferana amin’ny fakana fahefana fotsiny fa entina indrindra hijerena sy hampiharana izay hevitra heverina fa hahasoa ny fiainan’ny isan-tokantrano manoloana ny fahasahiranana isan-karazany, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT