Manohana ny « Collectif des Candidats » ny MFM

« Diovina aloha ny tokontany vao miroso amin’ny fifidianana »


  • Alakamisy 05 Oktobra 2023

Mitaona ny rehetra hifanome tanana amin’ny kandida 11 Nanao fanambarana

omaly hariva ny foibem-pilankevitry ny antoko politika MFM fa tsy miova amin’ny fanambarana nataony ny 23 septambra 2023 ny antoko mahakasika an’andriamatoa Rakotoniaina Pety. Mitazona ny fotokevitra ijoroany hatramin’ny 28 febroary 2021 ny MFM, hoy izy ireo tetsy Soanierana omaly. Ilaina ny fifampiresahan’ny samy malagasy. Diovina ny tokontany vao miroso amin’ny fifidianana. Olompirenena feno ireo kandida miisa 11 tafatambatra ho “collectifs des candidats” ireo. Manan-jo hampiasa malalaka ny zony mifanandrify amin’ny lalàna manan-kery ka ombanay manana eto amin’ny firenena fa tsy sanatria mpikomy tahaka ny fiheveran’ny mpitondra fanjakana azy. Manohana ny hetsiky ny firaisankinan’ireo kandida ny MFM ary mitaona ny rehetra hifanome tanana. Manao antsoavo amin’ny mpitandro filaminana mba handanjalanja ny baiko voarainy ny MFM. Tena hanatevina ny hetsiky ny kandida miisa 11 ny MFM ary manao antsoavo ny mpikatroka MFM rehetra handray ny torimarika sy baikom-pitolomana amin’izany! Mitovy ny hevitray hatramin’ny 2021 amin’izao fotoana izao ireo kandida 11 ka tolona iaraha-manana izy ity ka hifanome tanana isika. Fifampiresahana ihany no takian’ny MFM hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny hirariana dia ho anaty filaminana fa tsy sanatria korontana no hikarohana ny vahaolana. Tsy fahotana mahafaty ny fanemorana fifidianana. Matoky izahay fa olon-kendry ny FFKM ary tsy diso raha miantso fifampiresahana, hoy hatrany ny MFM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT