Manizingizina ny TIM

« Mandresy ny kandidanay eto Iarivo, hijoro izahay… »


  • Alatsinainy 30 Desambra 2024

Nanamafy ireo tsy fetezan-javatra samihafa mikasika ny fifidianana ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera

Jeneraliny Rina Randriamasinoro ny sabotsy teo, tamina fandaharana manokan’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Resaky ny moana sy ny marenina ny fifampiresahana tamin’ny CENI, raha ny nambaran’io tompon’andraikitry ny TIM io. Ahoana no hanaporofoana fa nisy nanao piraty ? Raha tena nisy an’izay dia tsy tafaverin’ny CENI sy tsy voahidiny fa olana anatiny tao, hoy ny TIM. Terena fotsiny ny namanay ho nanao an’iny, kanefa tsy tokony sy tsy manana « compétence » ny mpitandro filaminana hoe : nanao « piratage ». Nilaza fa tsy maintsy nanao tatitra tamin’ireo mpiara-miombon’antoka noho izany io antoko io. Na teo aza anefa ireny hosoka sy hala-bato ireny dia mandresy ny kandidanay eto Antananarivo, hoy i Rina Randriamasinoro. Niantso ny PNUD hanao « audit » na fitsirihana hanamarina hoe : tena nisy nanao an’izany ve satria tranonkala nandaniana volabe io, ka tsy tokony terena fotsiny hoe : ianao nanao an’izao, ianao niteny an’izao, dia tenenina hoe : ianao izany no nanao an’iny, hoy hatrany ny fanazavany naneho fa tsy tokony terena ho Atoa Jean Luce Randriamihoatra no atao sorona. Nampahatsiahy tantara moa ity Sekretera Jeneralin’ny TIM ity nilaza fa tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tao amin’ny CENI rehefa nisy antsapaka, dia tsy tao ny anaran’i Andry Rajoelina, fa avy eo nampidirina. Efa nisy an’izany satria nafana be ny fanenjehana mikasika ny efa fanariany ny zom-pirenena ary efa neverina ho tsy afaka ny ho kandida, izay vao nasisika ny anarny. « Ny fandikako azy, dia nisy vokatra 2 tao amin’ny CENI hoe : ny iray mandresy ny kandidam-panjakana, ary ny iray mandresy ny kandidanay », hoy i Rina Randriamasinoro. Nilaza moa ity farany, fa raha ny fandrahonana sy fampihorohoroana dia voalohany mety efa tsy tokony hiteny intsony. In-droa nanaovana fisamborana sy nampihorohoroana, kanefa raha tsy hijoro dia miandry an’iza hijoro ? Niantso fahasahiana ho an’ny olona ity farany, ka nilaza fa na inona na inona sakantsakana eto amin’ny Firenena dia an’ny vahoaka ny fahefana. Ny olona manao fampitahorana dia nampindramina fahefana. Samy tompon’andraikitra amin’ny ho avy, ny mpitondra no mahatonga ny olona misy, samia mijoro, aza matahotra fampitahorana, fa ny mitabe tsy lanin’ny mamba. Nilaza fa tsy maintsy mijoro ny TIM na inona na inona karazana antsojay sy faneriterena. Tsy maintsy mahazo fahefana no tanjona. Dia ahoana izany ny tohiny ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT