Politique

Mangalaza Eugčne : Nipoitra, rehefa iray volana tsy nandrenesam-peo


  • Zoma 22 Janoary 2010

Omaly indray ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana, Mangalaza Eugčne, vao tazana rehefa nilentika tsy re firy nandritra ny fotoana lavalava ihany izay.

 

Noraisin’i Jean Ping, filohan’ny Vaomieran’ny Firaisambe Afrikanina, mitarika ny Groupe International de Contact, mivory ao amin’ny Carlton hatry ny omaly, ny tenany omaly. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany, izy rahateo tsy nanao fanambarana taorian’ny diniky ny roa tonta.
Anisan’ireo teratany malagasy miisa 25 nataon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sesitany tany Maputo sy Afrika Atsimo ny tenany, raha avy nandray anjara tamin’ny dinika an-tampony fahatelo nandaminana ny krizy eto Madagasikara tany Maputo ny 03 ka hatramin’ny 10 desambra 2009. Nesorin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita amin’ny maha Praiminisitra lehiben’ny governemanta azy i Mangalaza Eugène, ary namoahany didim-panjakana 2009-1385 tamin’ny 18 desambra 2009 manala azy amin’ny toerany. Tsy nanaiky mora izany ny ankolafy telo, izay mihevitra fa tsy ara-dalàna io didim-panjakana io, ka nametraka fitoriana eny anivon’ny Filankevi-panjakana izy telolahy filoham-pirenena teo aloha, dia Pr Zafy Albert, Didier Ratsiraka ary Marc Ravalomanana. Mbola tantara mitohy ny amin’io satria dia mbola andrasana ny valin-tenin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana mijery ifotony raha mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana io didim-panjakana io. Nangina, eny nisintona kely teo amin’ny sehatra politika mihitsy aza, i Mangalaza Eugène teo anatrehan’izany, ka nipetraka tany Toamasina tany, nandritra izay iray volana izay. Amin’izao fahatongavan’ny iraky ny GIC izao indray ny tenany vao niakatra eto Antananarivo.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT