Mandrisika ny Firaisankinan’ny

kandida ny RMDM “Tratraro aloha ny tanjona, tsy mila propagandy tery vay manta”


  • Talata 10 Oktobra 2023

Misamboaravoara tanteraka ny fiainam-pirenena, misy fitakiana samihafa ataon’ny Firaisankinan’ny kandida mba

hisian’ny làlan-jotra madio amin’ny fanatanterahana ny fifidianana, kanefa toraka grenady lakrimozenina sy herisetra samihafa no setriny, ka manameloka amin’ny heriny rehetra ireny habibiana tsy roa aman-tany ireny ny RMDM araka ny fanambarany omaly. Takian’izy ireo ihany koa ny famoahana tsy misy fepetra ireo olona nosamborina tsy ara-dalàna, tahaka ny Sekretera Jeneralin’ny TIM izay tsy hita izay fahadisoany kanefa ireny no nanaovana azy, hoy io vovonana io. Mamporisika sy mankahery ny Firaisankinan’ny kandida hanohy ny tolona sy hanatratra ny tanjona ny RMDM, ary naneho fa an-damosin’izy ireo ka tsy mihemotra na amin’ny mora na amin’ny sarotra fa mpirahalahy mianala. Niantso ny RMDM manerana ny Nosy hanamafy ny tolona tarihin’ny Firaisankinan’ny kandida mba hanesorana ny fanjanahana vaovao noho izany Birao Nasionaly. Niantso ihany koa ny mpitandro filaminana izay natao hiaro ny fiandrianam-pirenena mba tena hijoro ny amin’izany satria ny Mpitondra mandalo. Eo anatrehan’ny fisokafan’ny propagandy anio, nilaza ny RMDM fa tsy madio ny fifidianana na fanomanana na fikarakarana, misy ny kandida maratra,… ka propagandy inona no atao amin’izany? Fanerena no ataon’ny Fanjakana ankehitriny hampanekena ny zavatra tsy mety ka tokony hifampiresaka ambony latabatra fa tsy mety sy tsy hampilamina ny famonoana sy fandatsahan-drà. Milaza noho izany ny RMDM, fa tsy tokony hisy propagandy handeha raha tsy milamina ny zava-drehetra satria ny fikarakarana fifidianana tsy voadio, misy ny kandida sy olona noratraina, misy ny fanagadrana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT