Mandeha ny resaka fanovàna governemanta

Ny lohany no efa matsatso, ny atiny no amboamboarina


  • Talata 11 Febroary 2025

Manangasanga indray ankehitriny ny hoe fanovàna governemanta, raha ny rivo-baovao mitsoaka efa ho iray volana izao.

Efa ho fanim-polony isika ity no manovaova izany, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo olompirenena nefa tsy hita ihany hoe nitondra inona tany anaty vilany izany. Fanovàna governemanta mihitsy tokoa ankehitriny, raha ny lojika, no tokony hitranga, hoy kosa ny avy eo anivon’ny antoko politika FLN na Front de libération national, fa tsy fanovàna minisitra toy izay nitranga hatramin’ny taona 2018. 7 taona ankehitriny no naha praiminisitra an’izany Ntsay Christian izany, hoy ny mpandrindra nasionalin’ity antoko ity, Iada Jean Pierre, ka ny dikan’izay dia mbola governemanta iray ihany, dia ny governemanta Ntsay, foana izany aloha ny teo fa tsy mbola nisy governemanta niova izany. Ny minisitra fotsiny, hoy izy, no niovaova. Isan’ny fanontaniana apetrak’ireo mpandinika sy mpisehatra politika maro etsy ankilany ny hoe nitondra inona tokoa moa izany ilay praiminisitra tsy niala teo amin’ny toerany mihitsy nandritr’izay 7 taona izay sy ny fanovaovaona ireo mpikamban’ny governemantany efa ho im-polo kely ity? Toa vao mainka mitotongana ihany ny toekarena sy ny sosialy ary ankehitriny aza isika dia notombanan’ny sehatra iraisampirenena ho firenena mahantra indrindra eran-tany? Maro, araka izany, ireo mpanara-baovao no mahita mihitsy fa ny lohany no efa matsatso, raha ny mikasika ny governemanta Ntsay no resahina, saingy ny atiny no amboamboarina hatreto. Asa na hiova izany amin’ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT