Manda Ravelojaona

«Tsy maintsy miainga amin’ny fanabeazana ny tanora hamokatra isika!»


  • Alarobia 27 Aogositra 2025

Ny filoha Andry Rajoelina sy ny malagasy no mitantana ny SADC,

hoy ny mpanao politika sady mpanabe, Manda Ravelojaona. Mpikambana feno ao anatin’ny SADC isika, hoy izy, ary mitantana isika ankehitriny. Tokony miara-miheritreritra izay fitantanana izay avokoa, noho izany, na mpitondra na mpanohitra na iza na iza ary eo anaovako antsoavo hoe fotoana mandalo io ary mbola tsy nanana filoha nitarika SADC izany ny malagasy. Tokony hahafahan’ny rehetra maka traikefa io, indrindra, tsy ara-barotra ihany. Isika izao mampiasa ny teny frantsay, izay teny iraisampirenena azo iresahana tsara. Amin’ny sehatra iraisampirenena tahaka ireny dia misy ny teny fampiasa foana tsy voatery ianarana teny anglisy. Tombony kosa ny fahaizantsika sy fahafehezantsika teny anglisy ao anatin’izay. Tokony hahafahantsika mitodika amin’ny resaka famokarana io, raha ny ara-barotra no resahina, satria lehibe ny velarantany malagasy ary tokony hifantoka amin’izay foana isika. Ny olana dia isika malagasy matetika mpanjifa. Ny fitarihantsika ny SADC ve hahafahantsika mampiakatra ny fanjifàntsika ny vokatr’ireo firenena mikambana ao ireo avy any ivelany sa mba hampitombo ny vokantsika hahafahana mifaninana amin’ireo firenena mpikambana hafa? Manao antsoavo ny rehetra ny amin’ny mba hanaovana tolo-kevitra, hanoratana boky, izay rehetra tokony ho tombony ho an’ny malagasy. Tombony ho an’i Madagasikara ny mipetraka eo amin’ny fitantanana ity vondrona ity. Laharam-pahamehana ny fanabeazana. Tokony hivoy izany daholo ny olon-dehibe rehetra. Maninona no misy taranaka na «génération» banga eto? Tany aloha tany tsy nanana fitaovana harifomba fa nahavita digy, tatatra, rova, zavatra marobe fa isika ankehitriny miandry ny any ivelany foana vao vita. Ny olana, ny vokatry ny fanabeazana dia tsy ho hita androany fa afaka 10 taona na 20 taona. Io izao isika, 20 taona aty aoriana, mahita ny vokatry ny fanabeazana tamin’ny 20 taona lasa. Anjarantsika no manarina! Lasa mpanjifa isika malagasy. Olana mipetraka foana izay izao. Hatramin’ny vary ho hanintsika izao dia mahamenatra hoe mbola ny olona no mamelona antsika. Ahoana no hahafahana manabe ny tanorantsika ho mpamokatra? Tena tombony ho antsika ny fananana tany. Tsy mampino hoe malagasy tsy velona eto amin’ny taniny. Isika no tsy miezaka mamaly ny fanontaniana hoe ahoana no ahafahantsika mamokatra sy manondrana hanarenana ny toekarentsika? Firenena matanjaka amin’ny resaka harena an-kibon’ny tany ireo mpikambana anaty SADC ireo. Fanararaotra ahafahantsika mitrandraka ny harena an-kibon’ny tanintsika koa izany io. Tsy maintsy miainga amin’ny fanabeazana ny tanora hamokatra isika! Tokony ho sahy miditra amin’izany na ny resaka manara-drafitra na tsia! Repoblika faharoa isika, ankoatran’ny fampianarana tany am-pianarana, dia namokatra boky hoe famokarana. Nisy fampiharana tamin’ny alalan’ny zaridaina sy ny voly isan-karazany koa teo an-tsekoly. Tsy ho an’ny mpianatra irery ireny fa mipaka hatrany amin’ny ray aman-dreny. Tokony hiverenana izany satria mbola tsy vitantsika amin’ny fampianarana tekinikam-pambolena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT