Politique

Manda Ravelojaona “Tokony hampanakaikezina vahoaka ny vata fandatsaham-bato”


  • Talata 31 Janoary 2023

Matetika isika mahita hoe ambany ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny antoko politika Tanora malagasy vonona na TGV ao amin’ny distrikan’Anjozorobe,

Manda Ravelojaona, nanentana ny olompirenena handray ny andraikiny amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ireo fifidianana hoavy. Tokony hampanakaikezina ny vahoaka, hoy izy, ny vata fandatsaham-bato. Izany hoe tsy hijanona eo anivon’ny fokontany fotsiny fa manana fotodrafitrasa ny fanjakana, ohatra hoe ireny EPP na “école communautaire” eny anivon’ny vohitra ireny mba tsy handehanan’ilay mpifidy manao 12 km, raha tsy hiteny fotsiny aho ho an’iny distrikan’Anjozorobe iny. 6km no ataony mandroso ary 6 km miverina raha handatsa-bato izy. Tokony hampanakaikezina ny vahoaka ny vata fandatsaham-bato. Tsy mety intsony izany ilay hoe eo amin’ny renivohitry ny fokontany no asianao biraom-pifidianana miisa 4 fa mba eritreretina ireo 4 ireo dia mba miparitaka ao amina tanana manana mpifidy miisa 300 mahery. Milatsaha ho fidiana dia rehefa tonga eo ianao manova ny zava-misy fa ny fakana fahefana tsy amin’ny alalan’ny fifidianana dia mety hiteraka korontana vaovao indray ho an’ny vahoaka malagasy izay hita fa efa miha reraka amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT