Politique

Manda Ravelojaona “Dosie iniana foronina ireny farany teo ireny”


  • Talata 07 Martsa 2023

Ny mpanohana ny fitondrana dia manaja ny fitsipiky ny antoko ary samy mametraka ny anjara toeran’ny tsirairay, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko politika TGV na Tanora malagasy vonona ao Anjozorobe, Manda Ravelojaona.

Tsy manana olana, hoy izy, ny mpikambana fa mitaky mandrakariva hoe tokony apetraka amin’ny toerana misy azy arakaraky ny anjarany ny tsirairay eo anivon’ny antoko. Izay no maha sarotiny ny antoko dia ny hijerena ny tsirairay izay mahazo seza. Misy ny dosie mivoaka. Matetika izy ireny tsy dia marina. Efa nandalo zavatra maro ireny. Ho an’ireo marina kosa dia efa nisy ny nandraisana fepetra. Tamin’ny fanendrena tomponandraikitra farany teo kosa dia hitako hoe dosie iniana foronina ireny miparitaka ireny ary tsy tena misy hoe fiantraikany amin’ny fiainan’ilay olona akory ilay izy fa ezahana voizina fotsiny. Misy te hisongadina ao dia manao zavatra tsy am-piheverana. Mandeha ny fandaminana rehetra ho anay amin’ny maha taom-pifidianana ity taona ity. Ny eny ifotony no mitondra an’io. 140 miliara Ariary no nambaran’ny CENI fa hikarakarana fifidianana. 44 miliara eo no an-tanana. Aza adinoina fa ohatran’izay ihany ny fikarakarana fifidianana eto. Raha atao ny fanazavana dia anatin’io 140 miliara io ny fanabeazana olompirenena andeha hifidy. Ao ireny fanabeazana rehetra ataon’ny fiarahamonim-pirenena rehetra ireny. Izany hoe tetibola hafa ireny. Anjaran’ireo mpikambana sy mpiara-miombon’antoka no manatanteraka ireny. Tsy voatery ho lelavola fa arakarak’ilay tetikasa. Ny an’ny Safidy izao nahazo 4 miliara Ariary, ohatra. Ilay 40 miliara ahafahana manatanteraka hoe aiza no hametrahana biraom-pifidianana? Inona no karaman’ireto olona ireto? Ny vondrona eoropeanina tonga teto nilaza fa hanohana antsika fa tsy nanonona sora-bola, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT