Politique

Manda ho an’ny Firaisampirenena Praiminisitra avy amin’ny mpanohitra no mampisy fifandanjam-pahefana


  • Zoma 28 Oktobra 2011

Andrasana amin’ity anio ity ny anaran’izay ho praiminisitry ny marimaritra iraisana.

 Ho an’ny fikambanana Manda ho an’ny Firaisampirenena dia tokony ho olona avy amin’ny mpanohitra no hitana io toerana io mba hisian’ny fifandanjam-pahefana amin’ny fitantanana ny tetezamita. Na dia kandidan’ny mpanohitra aza anefa no voatendry kanefa mbola manaraka ny tantely afa-drakotra tahaka izay ataon’ny FAT ankehitriny dia hitabataba hatrany ity fikambanana ity araka ny nambaran’ny filohany, Ravololomanana Lalatiana. Dingana ihany ny fanendrena praiminisitra fa ny tanjona dia ny hametraka tetezamita iarahana, madio sy mangarahara, hoy hatrany ny fanazavany.

Milaza ho tsy manan-kambara momba ny fanoloran’ny ankolafy Zafy an’i Omer Beriziky kosa ny Manda ho an’ny Firaisampirenena izay nanambara fa fahefan’ny profesora Zafy samirery izany ka hajain’izy ireo tanteraka. “Tsy anjaranay no mankasitraka na mitsara ny safidiny”, hoy i Lalatiana Ravololomanana. Takiany kosa anefa ny fanohizana hatramin’ny farany ny fanadihadiana sy ny fitsarana ny raharaha goavana maro izay itorian’ity filoha teo aloha ity ny mpitondra ankehitriny mba tena hivoahan’ny marina rehetra. Melohin’ny fikambanany koa ny toetran’ny mpanao politika izay mifandimby manao adina am-bava eny Ambohitsorohitra kanefa misy amin’izy ireo efa masoivoho an-taonany maro tany ivelany no sady efa praiminisitra lefitra ihany koa. Nahazo ny anjarany tamin’ny fitsikeran’i Lalatiana Ravololomanana koa ny vondrona politika sasany izay efa miady ny isan’ny seza ho azony sahady. Aminy dia ny fanompoana ny tanindrazana no tokony hololohavina an-tampon’ny loha raha tena tia tanindrazana marina ny mpanao politika malagasy ka tsy mandray karama sy tambin-karama ary tsy mila fiara tsy mataho-dalana koa izay mihevitra ny haka ny toeran’ny minisitra na mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitry ny tetezamita.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT