Manangam-bovona ny Fitondrana…

Angatahana hosoloina fa nitsabatsabaka ny solontenan’ny UE!


  • Talata 14 Mey 2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

amin'ny raharaha anatin'ny firenena, fanazavan'ny Minisitry ny raharaham-bahiny sady Lehiben'ny diplaomasia Malagasy Rtoa Rasata Rafaravavitafika mikasika ny fangatahan'ny Fanjakana Malagasy ny fanoloana ny Ambasadaoron'ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara Rtoa Isabelle Delattre omaly alatsinainy 13 mey 2024. "Amin'ny fifandraisana diplaomatika, misy ireo fitsipika tsy maintsy hajaina ka anisan'izany ny fanajana ny tsy fahafahana mitsabatsabaka na "principe de non-ingérence”, araka ny fanambaran'io Minisitra io. Nomarihina fa tsy vao sambany ihany koa isika no nangataka ny fanoloana solontenana firenena iray. Raha tsiahivina dia ny filazan-dRtoa Isabelle Delattre fa tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana Malagasy sy ny fifanarahana iraisam-pirenena ny "castration" na famosirana ireo mpanolana no tsy nampitovy tadin-dokanga. Ankoatra iny resaka iny, nokianin'ity diplaomaty ity ny fitantanana tsy mahomby toy ny fahapotehan'ny lalana izay tokony haharitra 15 taona kanefa 5 taona dia potika, ny tsy fangaraharan'ny fitantanana ny volan'ny Fonds Routier,... miteraka fahakiviana sy tsy faharisian'ny mpamatsy vola sy mpampiasa vola. Raha hiverenana rahateo dia tsy marin-toerana ny fiaraha-miasan'ny BEI na ny Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola amin'i Madagasikara fa nisy fiatoana. Heverina fa tsy tongatonga ho azy iny fanambaran-dRtoa Isabelle Delattre iny, izay marihina fa tsy firenena iray no soloiny tena fa 27. Tombanana tsy hiteniteny fahatany, fa matoa miteny dia feo sy fijery avy amin'ny Vondrona Firenena soloany tena. Ho an’ny Fitondrana, diadia nolazain’ity minisitra ity fa mitohy ny fiaraha-miasa, nohamafisina tamin’ny fankatoavana ny fifanarahana vaovao antsoina hoe : SAMOA, solon’ny fifanarahan’i Cotonou. Nambara fa misy ny fiaraha-miasa ary tsy ho avela, saingy hojerena ny ao andrefana, hifantohana ny manodidina, homena lanja ny firenena asiatika,… Tena milamina ve ny fifandraisana amin’ny Tandrefana ? Zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena, ary lojika raha sarotiny ny fitondram-panjakana. Tena izay ve anefa aloha ilay sary mitranga eto? Sao dia noho ny tsy fahazakana ny mety ho fanapotsirana ny marina ataon'ny vahiny?
HANAO AHOANA NY HO FIANTRAIKANY ?
Na tiana na tsy tiana dia efa tafiditra amin'ny "incident diplomatique" na fifandirana diplaomatika iny resaka iny, matoa tonga amin’izao. Mbola lavalava ny dingana fanoloana ny ambasadaoro na efa neken'ny any Bruxelles aza. Heverina fa mamparefo ny fifandraisana io, ny Eoropeanina no lohalaharana amin’ny mpamatsy vola mahazatra. Betsaka ary hentitra kokoa ny fepetra apetrany toy ny fanajana ny Fanjakana tan-dalana, ady amin'ny kolikoly, fanajana zon'olombena, fampiharana ny demokrasia,... izay betsaka no tsy tena voahaja. Efa niomana amin'ny fiantraikany ve ny fitondrana ka io misarizoro sy manamafy ny fifandraisana amin'ny arabo io ? 40 taona lasa mbola nahantra noho i Madagasikara io firenena io, saingy tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy dia tsy nijanona ny fivoarana ara-toekarena ho an’i Emirats Arabes Unis ara-toekarena, ka rariny dia rariny loatra, ary mari-pototra tanteraka ny fametrahana masoivoho any, hoy ny Minisitra. Hiroso amin'ny antsoina hoe: financement parallèle" amin'ny alalan'ny lalam-bola hafa avy amin'ny tantsinana ve ny fitondrana? Inona no ho fiantraikany ara-diplaomatika sy politika?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT