Politique

Manandafy Rakotonirina Ny hevi-panjakana nitondrany ny madinika


  • Zoma 28 Oktobra 2011

Samy miandry izay havoakan’ity anio ity ny rehetra, izay ho praiminisitra voatondro fa iraisan’ny rehetra, ka hamoaka an’i Madagasikara amin’izao krizy izao.

 Raha 15 ireo kandida tany am-piandohana, 14 sisa ankehitriny ka ny roa amin’izy ireo ny an’ny ankolafy Ravalomanana, iray kosa an’ny ankolafy Zafy Albert. I Manandafy Rakotonirina dia anisan’ny ao anaty ankolafy Ravalomanana. Raha tsiahivina dia ny tolon’ny madinika no nahalalana an’i Manandafy tamin’ny 1972 nanorenany ny MFM. Navondrony tao amin’ny fikambanana ZOAM (Zatovo Ory Asa eto Madagasikara), ireo zatovo nahintsan’ny fianarana, tsy niasa fa nirenireny sy nidonana-poana, nailiky ny fiarahamonina ho faikamboto. Nitadiavany lalana hiasa, hamerenana azy ireo amin’ny haja amam-boninahitra maha olona azy eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena.

Teo koa ireo tantsaha madinika tsy nanan-tany, navondrony tanaty Fiharian-karena iombonana, tamin’ny tany an’ny Malagasy, notsoahana teo am-pelatanan’ny voanjo. Any Antsihanaka sy Mananjary no mbola misy velona sy miasa izany. Tsy mba tsetsetra amin’ny ranomasom-boay, na fiantrana miharo fendrofendro, no nitaizan’i Manandafy an’ireny olona ireny, fa famolahana henjana, amin’ny teny mahitsy sy mahery ahalalana azy. Ny hananan’izy ireo fahaleovantena, sy hery fototra hiatrehany ny fiainany, no tanjona nafantsik’i Manandafy tao an-tsainy. Tsy nekeny mihitsy ny hanta ratsy sy ny fiankinan-doha amin’ny hafetsifetsena sy fitsiriritana isan-karazany. Tamin’izay nahatanty ny fitondrany, dia nisy no lasa mpiasam-panjakana na mpiasana orinasa, tany amin’ny sampandraharaha sy sampam-pihariana samihafa, efa retirety ny betsaka ankehitriny. Nisy nahaforona fihariana madinika ho an’ny tenany.

Maro tamin’izy ireny koa no natosiny sy nampiany hianatra, ny sasany vao nanomboka abidia, ary nisy nahavita hatramin’ny maitrise teny amin’ny Oniversite. Izay naharitra teo ambany saokany dia tafaverina ho olom-banona, hajaina sy ilan-kevitra, eny anivon’ny Fokontany, ny fiangonana, ny faritra aza ho an’ny any ambanivohitra. Betsaka koa anefa no tsy nahari-boankena, tratry ny mena miraviravy, nampanaovin’ny mpanao “pilitika” asaasam-boto tsy mazava tany rehetra tany, nentina nanakorontana ny tany sy ny fanjakana, rehefa nisy nilany izany. Raha ny fahitan’ireo akaiky azy dia nitady lalana i Manandafy, hanafoanana ny fivakisan’ny mpiara-belona, izay mampitsingilahila ny fiarahamonina. Loza mihantona, mampitatao krizy mitsingeringerina, ho an’ny Repoblika sy ny demokrasia imatimatesantsika io fivakisana io. Niharihary tamintsika izany tamin’ity krizy ity, ary mbola ho fahasahiranana miandry izay hitondra, na amin’ny fivoahana amin’ny krizy, na ao aoriana. Mba hampiorim-paka ny demokrasia sy haha marim-pototra ny Repoblika, dia tsara hosaintsainina lalina ny hevi-panjakana goavana nitondran’i Manandafy ny madinika.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT