Politique

Manandafy Rakotonirina Manao ranolava ny fanohanana azy ho praiminisitra


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2011

Fivoahana amin’ny krizy no ilazana ny Tetezamita hajoro.

 Izay eo ihany fa laharam-pahamehana ny hanorenam-pototra ny fanjakana ho avy, mba tsy hiverenan’ny toy ny teo intsony dia ny krizy politika miverimberina, miteraka fatiantoka tsy hita noanoa ho an’ny firenena. Iray amin’ny kandida 15 ho praiminisitry ny marimaritra iraisana, ary iray amin’ireo kandida 3 natolotry ny ankolafy Ravalomanana i Manandafy Rakotonirina. Mpiantsehatra politika anisan’ny zokibe eto Madagasikara ity filoha nasionalin’ny antoko MFM ity. Nanavatsava sy niaina ny tantara teto amin’ny firenena nanomboka tany amin’ny taona 1969 tany ka mandrak’ity ny anio. Izy no zokiny indrindra amin’ireo kandida 15 ireo raha i Virapin Ramamonjisoa kosa no zandriolona indrindra. Raha saika miolakolaka izay no fomba fitenin’ny mpanao politika dia nampiavaka an’i Manandafy Rakotonirina ny fomba fiteny mahitsy. Nifikitra ary nitazona mafy ny sata repoblikanina sy ny foto-kevitra demokratika izy.

Tsaroana, ohatra, raha notendren-dRavalomanana ho praiminisitra izy ny taona 2009 dia nitaky hankatoavin’ny Parlemanta ny fanendrena azy satria hoe, tsy maintsy omena lanjany ny olom-boafidy, io ilay antsoina hoe “Gouvernement d’Assemblée”. Niady mafy ny amin’ny tokony hitazonana ireo Ben’ny tanàna izay vodifahitry ny olom-boafidy maha Repoblika ny Repoblika ny tenany. Anisan’ireo niketrika ny fampiraisana ny ankolafy Ravalomanana, Zafy Albert ary Ratsiraka koa izy tamin’ity krizy ity na dia fantatra aza fa samy tafiditra tamin’ny fanonganam-panjakana ary manana olona ao amin’ny fitondrana tsy ara-dalàna. Izany dia ho fanajana sy fanomezam-boninahitra ny Filoha voafidim-bahoaka tamin’ny ara-dalàna, manoloana ny mpandromba-panjakana.

Araka ny fanazavana dia anisan’ny politika fototra nataony hatry ny ela, ny fitandroana ny firaisam-pirenena. Ny fitarihana ny ankolafy Zafy sy Ratsiraka hiara-dia sy hiray tanjona amin’ny ankolafy Ravalomanana dia mba hampiray ny Malagasy rehetra eran’ny Nosy, tsy hampisy ady an-trano na adim-poko, izay manangasanga eto Madagasikara, noho ny fitrandrahana solitany efa manomboka. Anisan’ny sakana lehibe teo anoloan’ny mpandromba-pahefana izay fitambaran’ny hery izay, tsy nahafahany niroso tamin’izay nokendreny hatramin’izao, indrindra ilay tetika hanome vahana eto, ireo havany any Dilambato nanampy azy tamin’ny fanonganam-panjakana. Tsy tamin’ireo akolafy ihany no niasany fa teo indrindra koa ny fampivondronana ireo fikambanana isan-tsokajiny ho fampiraisana ny tanjona sy ny fiasa amin’ny ankolafy Ravalomanana. Tsy eto amin’ny firenena ihany no namantarana an’i Koto, hoy ireo akaiky azy, fa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa. Filoha Lefitry ny International Libéral izy.

Nanampy betsaka azy tamin’ny fampitokana-monina ny mpanongam-panjakana izany sy ny fanorenam-pototry ny Repoblika sy fanamafisana ny demokrasia, indrindra ry zareo aty Afrika sy ny any Eoropa. Itokisan’ireo mpamatsy vola koa ny lehilahy. Santionany amin’izany, ohatra, ny nanohanan’ny PNUD ny heviny momba ny fananganana ny Faritra. Araka ny fanazavan’ireo mpandinika dia anisan’ny olona takiana hitarika ny tetezamita olona hifandanja, hanao “fanarina”. Afaka hiatrika na iza na iza. Manao ranolava moa ny fanohanana ny filoha nasionalin’ny MFM amin’izay fanolorana azy ho kandida ho praiminisitry ny marimaritra iraisana. Tsy ny MFM ihany fa eo koa ireo izay rehetra mihevitra fa izy no mendrika hitantana io tetezamita hatsangana io. Eo koa ny olobe, ny avy any andafin’ny riaka izay mahita fa mpitari-tolona nanentana ny tolom-bahoaka niatrika ny fanjakana saribakolin'ny mpanjanatany sy ny tolona rehetra natao teto an-tanindrazana nandravana ny jadona sy ny fanaparam-pahefana. Samy nandefa ny taratasy fanohanany an’i Manandafy Rakotonirina any amin’ny Troika SADC moa ireny vondrona isan-tsokajiny ireny.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT