Politique

Manandafy Rakotonirina Izy no takian’ny vanimpotoana


  • Talata 25 Oktobra 2011

Miteraka adihevitra maro isan-karazany amin’ireo kilasy politika isan-tsokajiny ny amin’i Manandafy Rakotonirina nalatsaka ho kandida Praiminisitry ny tetezamita iaraha-mitantana.

 Sary aroso, ohatra, ny fanasokajiana ity mpanao politika ho “zokiny indrindra”. Tsy azo lavina tokoa izany ary efa nokilasian’ny sasany ho dinôzôro aza ny tenany. Araka ny fanazavan’ireo mpifanerasera amin’ny filoha nasionalin’ny Mafana anefa ary isarihan’izy ireo ny sain’ny maro dia ny hoe tanora fihevitra sy fiteny ary fihetsika i Manandafy. Ilay izy lazaina ho mahitsy toraka iny dia tsy inona fa noho izy tia mifanerasera amin’ny tanora ka andairan’ny fiteniny, hoy izy ireo. “Ilay izy masiaka, tsy inona fa ny tavela tamin’ny fahatanorany, teo amin’ny ady fo aman’aina hisandratana, hananany tsanganana politika sahaza ny tanjona lehibe tiany hotratrarina. Aoka hotsaroantsika fa tsy mora ny namafy sy mampiorim-paka ny hevitra tian’i Manandafy hitondrana ny fiainam-pirenena, dia ny ady amin’ny farasisan’ny fanjanahantany”, hoy ireo mpanohana azy. Ady vaventy izany, satria ny herin’ny Frantsay mpanjanatany manontolo, izay nandaitra sy namela tandindona matanjaka hatrany amin’ny fara atifanahin’ny Malagasy no hatrehina, hoy ihany izy ireo. Hatramin’izao, tsy afa-bela amin’io i Manandafy, eo anatrehan’ny Malagasy maro, indrindra fa eo anatrehan’ny Frantsay. Hararaotina sy roritina avokoa io hadisoana fanaon’ny olom-banona rehetra io, entina mandentika azy, fa tiana hilevina ho dinôzôro izy, hoy ihany ireo mpanohana. T

any am-piandohana anefa dia tsara fantarina fa efa nahazo andraikitra tany amin’ny tanora MONIMA izy, fony mbola tao anatin’io antoko io nialoha ny taona 1971. Tamin’ny 1972, lohalaharana tamin’ireo mpampianatry ny Oniversite nanohana ny tolon’ny mpianatra koa ny tenany, nitondra ny foto-kevitra “démocratisation de l’enseignement”, hamolavolana tanora manampahaizana avy amin’ny Faritra manerana ny Nosy, hanankinana ny fampivoarana ny firenena. Fikambanana tanora, avy any amin’ny faritra sy avy aty afovoan-tany no fototra nananganany ny MFM. Tamin’ny 1976, antony nanendrikendrehana azy ho nampandoro an’Andafiavaratra ka nisamborana azy, ny nanoroany hevitra ny mpianatra teknika nigrevy, nitaky fanavaozana ny satan’ny fampianarana teknika, izay tsy mbola ahitana mangirana mandraka ity ny androany. Taorian’izany, mpampianatra sy mpianatra no anisan’ny hery niankinany sy nanankinany ny antokony. Amin’ny maha mpampianatra azy rahateo koa, nanan-danja be teo amin’ny fiheverany foana ny amin’ny fampianarana sy ny hoavin’ny tanora. Rehefa natopatopan’ny fiainana politika teny i Manandafy sy ny antokony, dia tonga taty amin’ny taona 1989. Nilatsaka hofidiana filohan’ny Repoblika i Manandafy.

Nampanakoako ny lazany ny programa natolony tamin’izany. Anisan’ireny, ohatra, ny hoe miankina amin’ny famoronana asa ho an’ny tanora ny fampandrosoana ny firenena, farafahakeliny, asa 200 000 isan-taona. Rehefa nitsangana ny Repoblika faha-III, ny ministeran’ny fampananana asa no notakiany ho an’ny mpiray antoko aminy. Izy no nikaro-dalana hanatanterahana io fampananana asa ny tanora io, teo anivon’ny CRES. Izay no niaingan’ny fampidirana ny orinasa afaka haba.

Taty aoriana, mbola ny ministeran’ny tanora sy ny fampianarana ihany no nametrahany ny olony. Tamin’ireny no nahafahana nametraka lalam-bola ho an’ny tanora, hananganana orinasa madinika. Ankoatra izay, raha ny fanadihadiana, tamin’ny fitondran-dRavalomanana dia ireo akaiky an’i Manandafy Rakotonirina no nahazoana nametraka teo amin’ny tontolon’ny asa ny politikam-pirenena momba ny asa, ny politikam-pirenena ho tantsoroka ho an’ny asa, ny fandaharan’asam-pirenena ho an’ny asa mendrika niarahana tamin’ny birao iraisam-pirenena momba ny asa (BIT). Tsy vitan’ny hoe mpanao politika fe mpanao politika fotsiny ihany i Koto fa nikatroka ho fampanjariana ny fiainan’ny tanora, raha ny fahitan’ireo mpanara-dia sy akaiky azy. Noho izany, olona takian’izao vanimpotoana lalovan’ny firenena izao i Manandafy. Ankoatra ireo fikambanana sy antoko politika marobe manohana izao fandatsahana an'i Manandafy Rakotonirina ho praiminisitra izao moa dia nanoratra taratasy fanohanana azy any amin'ny Troika-SADC ihany koa ny Vovonam-pikambanana antsoina hoe “Plateforme des Associations pro-Ravalomanana” ahitana vondrona 15.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT