“Tsy ny filoha Ravalomanana no hanova ny fihavanana sy ny fahatokisana ny filoha Zafy Albert. Mbola mametraka ny fitokisana aminy ary manantena azy mbola hanao ny asa maha raiamandreny aza ny tenany”, hoy i Manandafy Rakotonirina nitondra ny hafatry ny filoha Ravalomanana tao amin`ny Kianjan`ny Magro ny sabotsy 05 novambra lasa teo.
Ankoatra izay dia notsiahivin`ny filoha nasionalin`ny MFM koa ny tenin`ny minisitra afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa, Marius Fransman, nandritry ny fanasoniavana ny drafitra fanatanterahana ny sori-dalana fa tokony hovitaina mialoha ny fiandohan`ny volana novambra ny fanendrena ny praiminisitra sy ny fampiharana ny andininy faha-20 ao anatin`ny sori-dalana izay mametraka ny fiverenana tsy misy fepetra an-tanindrazana an`ireo sesitany politika rehetra, ao anatin`izany ny filoha Ravalomanana. Karazana baiko ihany moa no nataon`i Manandafy tamin`ny solontenan`ny ankolafy Zafy Albert tonga teny an-toerana nilazany fa dia “Tsy misy andro andrasana fa ataovy ny fampodiana an-dRatsiraka sy Ravalomanana, ny famoahana ireo gadra politika izao dia izao. Tsy miandriandry fa tonga dia vitao”, hoy ihany i Manandafy. Ny fampiharana io andininy faha-20 io no andrasana dia mody Ravalomanana na dia anio dia anio ihany aza, hoy ihany izy nanohy. Nanentana ny vahoaka hiomana ny tenany fa hody Ravalomanana.
Miomàna amin`izay ! Hitsena azy isika”, hoy hatrany i Manandafy. Fa tetsy andanin`izany dia namaly ny fanontanian`ireo mpanao gazety vahiny tonga teny amin`ny kianjan`ny Magro ny praiminisitra Manandafy Rakotonirina. Tamin`izany no nanamafisany ireo fepetra takian`ny ankolafy Ravalomanana hidirany ao amin`ny tetezamita dia ny fampodiana ny filoha Ravalomanana, ny famotsorana ireo gadra politika, sy ny famohana ireo haino aman-jery nakatona.
Tsy vitan`ny hoe Ravalomanana ihany, hoy izy fa eo koa Ratsiraka ka ho hitantsika izay hahazaka ny fiverenan’ireo filoha lanim-bahoaka roa ireo, mitaky ny hisiana fihaonan`ireo lehibena ankolafy. Notsindriany fa ny fanendrena an`i Omer Beriziky no tsy nanara-dalàna. Nambarany fa raha toa ka tsy mahatsangana ny tena tetezamita iaraha-mitantana, tenierana i Omer Beriziky dia hampitarazoka ny krizy ka dia tsy ho tompon`antoka amin`izany ny ankolafy Ravalomanana. Ny fampiharana avy hatrany ny sori-dalana no hahazoana mametraka ny tetezamita tena izy, hoy ihany i Manandafy Rakotonirina tamin`ireo mpanao gazety vahiny, izany no antoka hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena.
Nangonin`i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.