Politique

Manampahefana 107 ho any Frantsa Hiasa sa hitsangantsangana ?


  • Alarobia 25 Novambra 2015

Ity angamba no tonga amin’ny hoe hararaoty fa ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady fa dia mahatratra 107 be izao ny isan’ny delegasiona Malagasy hamonjy fivoriana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro any Paris -Frantsa

 

. Ankoatra ny filoham-pirenena sy ramatoa vadiny ary ireo olona 8 manotrona azy ireo dia minisitra 8 be izao sy mpiasana minisitera isan-tsokajiny miisa 34 no ho any Frantsa, miampy olona misimisy ihany avy amina fikambanana sy sampandraharaha maro samihafa.

Mandany volam-bahoaka

Ny 30 novambra ka hatramin’ny 11 desambra ho avy izao no  hotontosaina any Le Bourget –Paris Frantsa  ny fivoriambe antsoina hoe  COP 21 izay  handinihina indrindra ny fiovaovan’ny toetr’andro. Handray anjara amin’izany i Madagasikara, ary dia tena handray anjara mavitrika mihitsy satria  dia mahatratra 107 be izao no isan’ny olona handrafitra ny delegasiona Malagasy. Hanao inona daholo izany  vahoaka be efa ho fiaramanidina iray izany ? Ny any  Frantsa amin’io fotoana io miezaka  manafoana  izay mety ho karazana fivoriana azo ialana. Ho an’ity  COP 21 ity dia ny fivoriana tokoa sisa no  tsy nofoanana fa ny  fihetseketsehana samihafa  dia  saika nofoanana avokoa. Ny Filoham-pirenena mivady no mitarika ny delegasiona Malagasy  ary ahitana minisitra valo samy  manana ny  mpiara-dia aminy avokoa. Vinavinaina ho 500.000 euros na 1.750.000 ariary ny vola holanian’ireto mambra ny delegasiona ireto. Marina fa tsy ny fanjakana Malagasy avokoa no miantoka  ireo fandaniana rehetra  ireo fa misy fandraisana anjaran’ny  fikambanana iraisam-pirenena hafa  kanefa mahalasa saina  ihany  ilay  fandaniana  mihoa-pampana ho an’ny tany tafiditra  anisan’ny dimy   farany  mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Ilaina ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’io fivoriana iraisam-pirenena saingy sao mba tafahoatra loatra. Tena  hanana andraikitra tokoa ve izy rehetra ireo sa hanararaotra  hitsangantsangana amin’ny saran-dalan’ny  fanjakana fotsiny ny sasany. Tsy mbola nisy  toy ity  angamba  hatramin’ny nandraisan’i Madagasikara anjara tamina  fivoriana  iraisam-pirenena.

 

Andry Ratovo    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT