Manambana hiantso satroka manga ny Fiarahamonim-pirenena

“Ny kandida laharana faha 3 no mampisy olana eto!”


  • Zoma 03 Novambra 2023

Manambana hiantso satroka manga ny fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny ONG LUJDH/

Tam’zo manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny raha ny fanambarana nataon’izy ireo teny Itaosy omaly. Nandefa taratasy misokatra ho an’ny filoham-pirenena mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalomanana Richard sy ny praiminisitra Ntsay Christian izy ireo. Manoloana ny toe-draharaha mikorontana ankehitriny ateraky ny fifidianana filoham-pirenena izay ahiana hampisara-bazana ny vahoaka ka hiteraka ady an-trano dia tsaroanay ny fitanana an-tsoratra CS/8500 an’ny filankevitry ny fandriampahalemana an’ny firenena mikambana, hoy izy ireo, tamin’ny fivoriana faha 5264 ny 20 septambra 2005. Nekena tamin’izany fa ny fiarahamonim-pirenena dia manana andraikitra amin’ny fisorohana mialoha ny fifandonana sy ny famahana ny olana mampifandoana. Mandray andraikitra izahay ka misintona am-panajana ny sain’ny filom-pirenena mpisolo toerana sy ny sain’ny praiminisitra mba handinika ny hafatra horonantsary nampitain’ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana, Antonio Guiteress, tamin’ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny satroka manga ao amin’ny firenena mikambana ny 29 may 2022. Fantantsika, hoy io sekretera jeneralin’ny firenena mikambana io, fa misitraka fandriampahalemana isika rehefa miray hina ny governemanta sy ny fiarahamonina mba hamahana ny olana mampifandoana amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy mba hametraka kolontsaina tsy mampiasa herisetra. Hiaro ny olona marefo na sahirana. Ho fampiharana ireo teboka miisa 3 ireo dia manaitra ny ambom-pon’ny mpitondra, mpisolo toerana, ny fitondrana eto Madagasikara izahay mba hiaraka aminay hiantso ny kandida laharana faha 3 sy ireo firaisankinan’ny kandida hifanatona hamaha olana amin’ny alalan’ny fifampiresahana. Hametraka kolontsaina ara-pitondrana tsy mampiasa herisetra amin’ny fanomezana alalana hamory vahoaka am-pilaminana ao amin’ny kianjan’ny 13 may ka ny mpitarika izany famoriam-bahoaka izany no hiantoka ny filaminana ary hanohy ny fanomezana alalana ny famoriam-bahoaka manerana ny nosy. Fahatelo, hanankina amin’ny mpitandro filaminana ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Fisorohana mialoha ny mety hisian’ny rà mandriaka ateraky ny fizirizirian’ny andaniny sy ankilany no tanjona. Ny kandida laharana faha 3 no mampisy olana eto amin’ny firenena malagasy, izay iresahana ny zom-pirenena, dia izay no nahatonga anay hoe ny laharana faha 3 ihany no antsoina, hoy hatrany izy ireo!
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT