Politique

Manakara Navoaka amboletra ny volan’ny Kaominina


  • Alakamisy 25 Febroary 2010

Nivadika tanteraka ny rasa ao Manakara.

 

Ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS), izay efa namoahan’ny Filankevi-panjakana didy fanapahana fa tsy ara-dalàna ary tsy manankery ny didim-pitondrana 49644/2009 navoakan’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany ny 19 novambra 2009 manendry azy hitondra ny tanànan’i Manakara indray no nanao ankisisika nanao sonia ny karaman’ny mpiasa volana febroary na nizara ny “bon de caisse” nanomboka ny talata 23 febroary. “Fandikan-dalàna tsy misy toy ity”, hoy i Andriano Giscard, Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka ny 12 desambra 2007.
Fototr’ity olana ity ny namoahan’ny Primatiora lefitra misahana atitany naoty ny 15 febroary ho fampiharana ny didim-pitondrana manendry an’i Sileny Herimanitra Alban, izay vao avy notendrena ho PDS, ho «Gestionnaire de crédit» na mpitantam-bola ao amin’ny Kaominina, na dia teo aza ny didy mampiato ny fampiharana io didim-pitondrana io, navoakan’ny filankevi-panjakana tamin’ny 15 desambra 2009 ary mbola nohamafisiny nandritra ny raharaham-pitsarana ny alakamisy 14 janoary 2010.
Manaraka izany, raha ny lalàna manan-kery dia “ordonnateur” no misy eny anivon’ny Kaominina ka ny Ben’ny tanàna no hany manana fahefana amin’izany ary ny soniany irery koa no manan-kery amin’ny famoaham-bolan’ny Kaominina. Ny Kaominin’i Manakara koa etsy ankilan’izany tsy mbola manana tetibola hiasana 2010, satria tsy mbola voafidin’ny mpanolotsan’ny tanàna. Ireto farany rahateo dia nanao taratasy fanakanana amin’izay mety ho fisisihan’ny PDS hamoaka ny volan’ny Kaominina. Tsy fantatra anefa izay nitranga teo amin’ity PDS ity sy ny mpitambolan’ny Kaominina fa dia nahavita namoaka ny karaman’ny mpiasa izy ireo. Tsy vitan’izay fa nofaohin’ny PDS tany aminy avokoa ny “bon de caisse”-n’ny mpiasa, ka manao sonia izay maka ny azy. Amboletra no nandraisan’ny mpanolotsaina ity fihetsiky ny PDS ity. Miahiahy koa anefa ireo mpiasa nanao sonia taratasy tamin’ny naka ny taratasim-bolany (bon de caisse) sao hisy hampiasa izany.
Efa nitady hirika ny hitantana ny volan’ny Kaominina ny PDS Sileny Alban raha nivoaka ny didim-pitondrana manendry azy ny volana desambra 2009 saingy tsy nanan-kery teo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana ny soniany ; mbola nodinihina teny anivon’ny Filankevi-panjakana rahateo ny raharaha tamin’izay. Nisafotofoto ny fandehan-draharaha tao amin’ny Kaominin’i Manakara taorian’ny namoahan’ny lehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, Rakamisilahy Martial taratasy mitondra ny laharana faha-20/2010/REG/VAT.FIT/CR any amin’ny Ben’ny tanànan’i Manakara Andriano Giscard, ny datin’ny 04 febroary, mampahafantatra azy fa mandray ny asany hitantana ny tanàna ny delegasiona manokana, ho setrin’ny taratasy nalefan’ny Ben’ny tanàna tamin’ny Lehiben’ny Faritra ny 22 janoary ary  ho fampiharana ny didy hitsivolana 2010-01 tamin’ny 10 janoary 2010, manova ny lalàna fehizoro 2004-036 tamin’ny 01 oktobra 2004 milaza ny fandaminana ankapobeny sy ny andraikitra ary ny paikady fanao eny amin’ny Fitsarana tampony sy ireo sampana telo mandrafitra azy. Ny 14 janoary 2010, dimy andro taorian’ny nivoahan’io didy hitsivolana io anefa dia namoaka didy ny Filankevi-panjakana, manamafy fa tsy manankery ny didim-pitondrana manendry delegasiona manokana hitondra ny tanànan’i Manakara. Tantara mitohy.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT