Nitety ireo Disitrika amin’iny ilany Atsinanana sy Atsimo Atsinanana nipaka hatrany Atsimo Andrefana iny ny kandida Dr Robinson Jean Louis ny faran’ny herinandro teo.
Manakara, Mananjary, Tolagnaro, Betioky Atsimo… hatrany Toliara dia vahoaka sesehena hatrany no tonga nitsena ity kandidà lah-33 miaraka amin’ny vovonana ivondronan’ireo kandida filoham-pirenena tamin’ny fihodinana voalohany manohana azy ity ary mibaribary tanteraka fa mpandresy ny kandidà Robinson. Fandatsaham-bato sisa ny amin'ny 20 desambra, hoy ny olona fa raha ny safidy dia efa ela no fantatra. Tantara lehibe no hosoratana, hoy i Saraha Georget Rabeharisoa ka ravana ny mpanongam-panjakana. Marary i Madagasikara ka mitady dokotera hitsabo azy, hoy i Lahiniriko Jean, ary izany no antony anohananay azy na mpifanandrina aza, izy rahateo no kandida fampihavanana.
Raha ny an-kilany no avela mbola hitondra dia ny ratsy foana no setriny, hita fa mbola ny fanaratsiana no manjaka, indrindra any amin’ny haino aman-jery. Misakafo tsara ny Malagasy rehefa lany i Robinson Jean Louis fa tsy izao gaboraraka izao hoy i Sylvain Rabetsaroana, koa entano hatramin’ny ny ray aman-dreny hifidy, fa tsy kisendrasendra ny fanohananay an’ny dokotera Dr Robinson Jean Louis. Nanao antso avo kosa ny jeneraly Camille Vital niantso ireo nifidy azy mba hanome ny vato ho an’ny dokotera lah-33 hisian’ny tena fampandrosoana marina. Tsy hanaiky hala-bato isika, hoy i Camille Vital fa aoka ho ny tena safidim-bahoaka tokoa no hanjaka. "Hifanome tanana isika, hanorina ny firenena, haverina haingana ny tany tan-dalàna hahafahana mifehy ny tsy fandriampahalemana sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ny tsy fisian'ny fahamarinana sy ny kolikoly diso tafahoatra. Hiasa isika ho fampandrosoana marina an'i Madagasikara", hoy ny kandidà Robinson Jean Louis. Hihazo an’i Morombe, Manja, Morondava ary Belo Tsiribihina ny kandida Robinson Jean Louis anio.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.