Manaitra ny Filohan’ny

Antenimierampirenena Tena anaty hotakotaka sy tany tsy tan-dalàna isika


  • Alarobia 18 Oktobra 2023

Fotoana izao hivoahana amin’ny fahanginana manoloana ny raharaham-pirenena!

Zovy ny olom-pirenena tsy ho liana manoloana ny zotram-pifidianana ? Misy ny tsy fitoviam-pijery amin’ireo mpifaninana izay tonga hatrany amin’ny fidinana an-dalambe ny fitakiana vahaolana, hoy ny ampahan-tenin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa omaly nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena. Nahitsy izy nilaza fa tandindonin-doza ny firenena, ary tsy azo hodian-tsy hita ny hetsika atsy sy ny tabataba atsy sy aroa, ao ny fitakiana maro samihafa ataon’ny andaniny, ary ao ny finiavana hiroso ataon’ny ankilany. Sarotra ny toe-draharaha, ary mikintoantoana ny làlana hizorana hahatongavana amin’izany, koa manoloana ny fizirizirian’ny andaniny sy ny ankilany, na teo aza ny fanelanelanana sy ny soso-kevitra teto an-toerana sy avy any ivelany: FFKM, ONU, SADC, OIF, Frankofonia, Firaisamonim-pirenena,… mba hialana amin’ny patsa iray tsy omby vava izay mety tsy ho fantatra ny hiafarany sy ny hasehon’ny rahampitso, dia niantso fandaminana ny toe-draharaha ny tenany. “Amin’izao dia iainantsika ny atao hoe: “impensé juridique”, ka miantso hoe: aleo misoroka toy izay mitsabo, ary tsy tokony hifandrafy ny Malagasy izay manana ny soatoavina fihavanana”, hoy io Filohana andrim-panjakana io. Raha hazavaina tsotsotra, dia milaza izy fa tena tsy tan-dalàna intsony, ary tsy voafehin’ny lalàna misy, izay miteraka tsy fahamarinan-toerana sy olana goavana. Miantso fifanatonana sy fifampiresahana ao anatin’ny fifanajana sy fandalana ny soatoavina noho izany ny tenany, izay nanipika fa tsy midika fa fa resy sy ambany ny mifanatona, ary tsy midika fa diso na resy ny fihaikena ny fahadisoana na ho an’ny andaniny na ny ankilany. Atsaharo, hoy izy, ny fifandranitana izay tsy hitondra fandrosoana sy fitoniana, ary aoka hiverina amin’ny filaminana. Mangataka ny Vondrona iraisam-pirenena tsy itazam-potsiny fa hamaha ny olana politika eto Madagasikara ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa. Efa nanelanelana avokoa na Fiangonana na fiarahamonim-pirenena fa tsy voavaha ny olana, araka ny nambarany.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT