Manaitra HCC sy ny mpitandro filaminana ny OSC

« Aoka tsy ho loharanon’ny korontana, aza mitanila…»


  • Talata 18 Jona 2024

Mitohy ny fanatsikafonana ireo heverina fa tsy fanjariana tao anatin’ny fifidianana

solombavambahoaka farany teo. Nanamafy ny OSC (Organisation des Société Civiles ) anatin’ny Vovonan’ny Firaisamonim-pirenena Rohy niaraka tamin’ireo mpianatry ny oniversite, sendika,… nahatratra 52 omaly 17 jona, fa voahitsakitsaka ny foto-kevitry tsy fiandanian’ny mpitantana raharaham-panjakana araka ny voalazan’ny andininy faha-60 sy faha-62 amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 mahakasika ny fitantanana ankapobeny ny fifidianana. Nasongadin’izy ireo hatrany ny fitsidiham-paritra nataon’ny filoham-pirenena tamin'ny fitokanana ankolaka ny zava-bitan’ny fanjakana, ary maneho ny fanohanana ireo kandidà momba azy. Nahitsy ny rohy nilaza fa voahitsakitsaka ny zon’ny mpiara-miombon’antoka toy ny delegen’ny kandidà sy ny mpanara-maso hanao ny asany ankoatra ireo fanamparam-pahefana sy fanerena samihafa, indrindra teo anivon’ny SRMV sasany, izay toerana hikirakirana sy handravonana ny zava-nisy sy ny vokatra avy any amin’ny biraom-pifidianana. Teo ihany koa ny sakantsakana ho an’ny firotsahan-kofidiana tamin’ny alalan’ny fametrahana antoka vola be. Miantso ny HCC hampihatra tsy mitanila ny lalàna manan-kery, mba hiarovana ny safidim-bahoaka ary hiarovana ny firenena amin’ny fihoaram-pefy na ny didy jadona izay mety ataon’olontokana na vondron’olona ny firaisamonim-pirenena noho izany ny Rohy. Miantso ny : hanafoana ny vaton’ireo kandidà nanao fandikan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny andro fahanginana sy ny androm-pifidianana ; hanasaziana ireo kandidà ninia nandika ny lalàna sy ny fitsipika manan-kery ; hampiharana ny sazy hahafahy ireo tompon’antoka sy mpanatanteraka hosoka sy ny fanovana ny voka-pifidianana izay misy fiatraikany amin'ny fahamarinan'ny fifidianana,… ireo. Nanipika noho izany ny Rohy fa manana andraikitra hiantoka am-pahamendrehana ny fandraisana an-tanana ny fitorohana sy ny fitarainan’ny mpisehatra rehetra sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny alalan’ny tsy fiandaniana mba hiarovana ny safidin’ny vahoaka ny HCC, ary manana andraikitra lehibe izy mba tsy ho loharanon’ny fifandirana sy korontana. Nangataka ny mpitandro filaminana izy ireo mba haneho ny tena maha izy azy amin’ny fanatanterahana ny andraikiny amin’ny fomba tsy mitanila satria volam-bahaoka no ampaisaina. Ny Mpitandro ny filaminana no andrandraina hanampy amin'ny fampihenana ny fampihorohoroana sy ny tahotra misy ankehitriny fa tsy hanome vahana ny herisetra ary ny herisetra misoko mangina, hoy ny ampahan’ny fanambaran’ny Rohy.
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT